Politique

Manampahefana nihoa-pefy tato ho ato Tsy voataiza firy tanatina antoko politika


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Ny zava-misy teto amin’ny firenena tato ho ato dia mahatonga ny fitondram-panjakana ho lasibatrana fijery ratsy eo imason’ny vahoaka, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

 

 

Tadidio fa ireo mpitondra ireo dia nofidian’ny vahoaka hanatsara ny fiainany fa tsy hanao fampisehoana faktiora hoe izao no vidina fahitalavitra fisaka na “bonbon sucette”. Voatifitra eo amin’ny fifidianana ny olona miara-miasa aminy ny mpitondra fanjakana. Izay zavatra izay no hijerena foana ny mahatonga ilay olana. Eo no hijerena ny fanovana ifotony tokony atao, hoy hatrany ny fanazavany. Ny antony dia satria ireny olona nanao fihoaram-pefy ireny raha tonga teo amin’ny toerana misy azy dia resaka kiantranoantranon’ny samy mpitondra sy filana tombony na “opportunisme” fa tsy olona niainga tamina antoko politika nisy firehana sy fanabeazana. Taloha, ohatra, nisy ny AKFM Fanavaozana, AKFM KDRSM, Leader Fanilo, Arema, PSD, MFM, TIM sy ny hafa. Nisy fanabeazana nampitovy fomba fisainana tao anatin’ireny, hoy hatrany izy. Samy nahita ny fivoaran’i Madagasikara tamin’ny resaka telefonia isika. Ny minisitra nametraka tsara izany dia tadidio fa olona nobeazina tanatina antoko politika, hoy izy. Matoa manao fihoaram-pefy kosa ireny mpitondra ankehitriny ireny dia satria tsy novolavolaina tanatina antoko politika sy ideolojia. Miainga avy amin’ny filoham-pirenena io ka hatrany amin’ny minisitra. Mampalahelo, hoy izy, ny mahita hoe minisitra tekinisianina dia tabatabaina ka raha tena te hanova isika dia azo harenina ao anatin’ny fotoana fohy izany rehetra izany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT