Hatry ny alin’ny alarobia teo no nisy ny tsaho nandeha fa hoe: tapaka indray ny tetezam-by na “pont bailey” napetraka tao Moramanga, izay nosokafan’ny Filoham-pirenena tao Moramanga ny marainan’io.
Isan’ny nametra-panontaniana momba io hoe: “Tapaka ihany koa hono ny pont bailey vao namboarina tao Moramanga?”. Tao anefa ireo nanely fa tena tapaka. Nanao fandisoana ny Fanjakana tamin’ny anaran’ny Minisiteran’ny asa vaventy. Niditra an-tsehatra tamin’izany ny Filoha Rajoelina tamin’ny alalan’ny pejiny manokana namoaka hoe: “Filazana Tetezana Moramanga PK 108+600, tsy marina ny vaovao miely amin’ny tambajotra fa tapaka ny tetezana avo napetraka ao Moramanga. Mizotra ara-dalàna ny fifamoivoizana any an-toerana. Misaotra Tompoko”, izay ny an’ny Minisiteran’ny asa vaventy no naverina. Mahagaga ny resaka arofenitra sy ny fomba fiasa ao anaty Fanjakana. Tena ny Filoham-pirenena mihitsy ve no niditra an-tsehatra namaly ny tsaho amin’ny facebook? Tena tsy maintsy nilaina ve ny fidinan’ny Filoha tany amin’ny “niveau” ambany be namaly ny mpanao facebook? Fa angaha tsy manana Talen’ny Serasera ny Fiadidian’ny Repoblika? Angaha tsy manana Minisitry ny serasera sady mpitondra tenin’ny Repoblika? Hita miharihary fa songonan’ny zava-misy hatrany ny Fanjakana, ka mikorontana ambony ambany, tsy mirindra intsony ny fomba fiasa, mitantana firenena amin’ny alalan’ny Facebook,… Rehefa niverenana nohamarinina tao amin’ny pejiny moa ilay fandisoana ny resaka nandeha tao amin’ny Facebook nataon’ny Filoha, dia nofafana, izay endrika iray maneho fa manao zavatra ity Fitondrana ity vao mandinika, hany ka midona amin’ny rindrina hatrany. Voaporofo hatrany ilay fitantanana ny firenena miainga amin’ny Facebook ka efa nandeha ny tsikera vao mety tonga saina hoe: nijoboka indray. Eo anatrehan’io vaovao diso niparitaka io moa dia nanao serasera ihany koa ny zandarimariam-pirenena izay nanao fandisoana, ary nanasokajy ireo nanely tsaho ho: “fahavalom-pirenena minia manakorontana saim-bahoaka”, ka “handraisana fepetra satria sokajiana ho mandika ny lalàna velona”. Midika izany fa ho avy ny fanenjehana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.