Nankalazaina omaly 12 janoary ny andron’ny manamboninahitra izay tetsy amin’ny BANI no nanatontosana an’izany.
«Mba hanarenana ny sarin’ity toby ity izay nolotoin’ny manamboninahitra sasany teo aloha kely teo no antony nanaovana ny fety eto anio» raha araka ny fanazavan’ny Vice-amiral d’Escadre Hippolyte Ramaroson. Nifety tokoa ireo miaramila manamboninahitra ambony, toa ireny tsy misy disadisa sy handrasana ireny. Ny nampanantenain’i Andry Rajoelina azy ireo dia fampitaovana izay tsy inona akory fa...akanjo sy kiraro vaovao. Dia heverin’io farany ve fa hangina amin’ny kiraro sy akanjo ireo andiany maromaro izay samy manana ny fitakiany amin’izao fotoana ?
Raha tsy hilaza afa tsy ny manamboninahitra maro avy ao amin’ny andiany faha-12 sy 13 izay tsy faly amin’izao fotoana izao manoloana ny tsy fampiakarana azy ireo ho Jeneraly kanefa misy zandrin’izy ireo lavitra nomena izany mari-boninahitra izany farany teo, tsy nosokajiana ho fisondrotana «exceptionnel» akory aza fa tonga dia nalefa tamin’izao. Aoka ihany koa tsy hohadinoina fa mbola miandry ny valin’ny famotsoran-keloka faobe izay nangatahiny ny andiany faha-17. Io dia mahakasika ny sivily sy miaramila, izany hoe izay gadra politika hatramin’ny 2009, tsy ankanavaka. Tsy nisy resaka izany omaly fa ny voizina dia ny hoe iray tsy mivaky ny foloalindahy izay sarotra ny milaza azy hoe salama raha oharina amin’ny zava-misy nifanesisesy. Tsy inona izany fa ny fampitahorana haka fanjakana dia avy eo omena vola mba hangina, eo ihany koa ny fitakiana maro isan-karazany izay tsy mbola nisy valiny aloha hatreto. Nifety omaly ny foloalindahy saingy hita soritra fa fety mifono zavatra maro ihany ny fety nataony...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.