Mahatsapa ho very raiamandreny, very andry iankinana ny vahoakan’i Manakara, araka ny tatitra nataon’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy Ralainirina Marcel
Mitady ny hiverenan-dRavalomanana i Manakara, hoy izy ary Kaominina 40 any an-toerana dia mbola manamafy ny fitazonana an’i Marc Ravalomanana ho filoha. Raharaha mahamenatra ny zava-misy any Atsimo, hoy ny CT Marcel satria nalefa tany ohatra ny FIS kanefa dia vehivavy kilemaina no azony. Remenabila, probleman’i Madagasikara no tokony hosamborina, hoy izy kanefa dia vehivavy malemy no azony. «Tsy nahavita ny andraikiny ny tafika nalefa any Atsimo ka tokony hiala ireo tompon’andraikitra misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana», hoy ihany ny CT Marcel.
Nambarany aza moa fa dia i Andry Rajoelina mihitsy no tokony hiala fa “tsy mahavita azy” intsony. Remenabila mpanao “action” ny any Atsimo, hoy izy fa misy Remenabila be dia be koa aty ambony latabatra. «Tsy hisy filaminana sy fahatoniana eto raha tsy miala eto ireo dia tafaverina i Marc Ravalomanana», hoy ihany izy. Tsy hisy fifidianana handeha izany koa eto, hoy izy raha tsy misy vola kanefa ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy hanome vola. Mila vonjy ny CENIT satria tsy misy vola, mila vonjy i Andry Rajoelina mitaky ny hanesorana ny sazy mihatra aminy. Tsy hisy izany rehetra izany, hoy ity mpikambana eo anivon’ny CT raha tsy mody Ravalomanana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.