Nangorom-potsy tao amin’ny “Place 8 Mars” ao Manakara Be ny tolakandron’ny alahady 02 janoary teo nandritra ny hetsika «Manakara Miara-Mifety».
Hetsika maimaimpoana izy ity, nokarakarain’ny «Collectif des Jeunes» amin’izao Asaramanitra izao, ary nanasan’izy ireo ny mponin’i Manakara iray vohitra hiara-paly tratry ny taona vaovao niaraka tamin’ny tarika Dat’kôtry. Hetsika fanintelony nitranga tao Manakara io raha ny tato anatin’ny tapa-bolana fotsiny. Teo ny fetibe da fetibe nokarakarain’ny Faritra Vatovavy Fitovinany tao amin’ny Kianja monisipaly ny alarobia 22 desambra 2010, ho fiaraha-mifaly tamin’ny fidirana amin’ny Repoblika IV, saingy nangadihady ny toerana ; nanaraka azy ny fety natolotry ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia ny zoma 31 desambra 2011, izay zara raha nisy olona ; fa ity «ManakaraMiara-Mifety» tao amin’ny “Place 8 Mars” ny alahady 02 janoary teo ity no tena nifanitsa-kitro ara-bakiteny ny olona.
Zakan’ny “Collectif des Jeunes” i Manakara iray vohitra, niara-nientana taminy, eny hatramin’ireo mponina manodidina aza tonga. Asa sosialy madiodio ity ary valimbabena nataon’ireo vato nasondrotry ny tany, saingy re fa dia vaky vava hatramin’ny mpitondra isan’ambaratonga ao an-toerana tamin’ny zava-bitan’ireto tanora ireto. Karazany hafatra alefan’ny tanora amin’ireo mpanao politika be bla bla ao an-tanàna rahateo ihany koa anefa iny hetsika ManakaraMiara-Mifety iny, fa dia kaontin’ny vita hatreo ny amin’izy ireo fa any amin’ny tanora indray izao ny baolina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.