Politique

Mamy Rakotoarivelo Tsy fieren-jiolahy ny Kongresy


  • Alarobia 17 Oktobra 2012

Mba tsy hisian’ny fimenomenomana any aoriana dia tokony ho tonga mialoha ety Tsimbazaza ny volavolan-tetibolam-panjakana 2013 ahazoana mandinika azy tsara, hoy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo omaly raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy taorian’ny nitarihany ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Kongresy.

 Hatreto aloha, hoy izy dia tsy mbola hita tabilao izany volavola izany fa izahay ety amin’ny Kongresy no efa nandefa ny volavolam-pandanianay. Raha ny amin’ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana dia nanambara Atoa Mamy Rakotoarivelo fa «hatreto aloha dia tsy mbola misy filazana hoe : ho avy izy» fa ny fifampidinihana no mandeha satria tonga eto ireo solontenan’ny Troika SADC hanadihady ny amin’ny ahazoana mandamina ny fiverenany hody soa aman-tsara an-tanindrazana mba tsy hisian’ny raorao na fitapitaka. Mbola hisy fandinihana indray ireo volavolan-dalàna mikasika ny fifidianana raha ny nambaran’ity filohan’ny CT ity satria mangataka izany ny CENIT ary ny ankolafy Ravalomanana koa dia hanao fanitsiana amin’ireo lalàna nolaniana tamin’ny tsy nahateo an-dry zareo.

Momba ireo mpikambana CT voarohirohy amin’ny raharaha maloto dia misy fepetra horaisina raha voaporofo tsara ny fisiana ary misy fitarainana vitsivitsy tonga eto aminay mihitsy. Tsy natao fieren-jiolahy eto, hoy i Mamy Rakotoarivelo, fa hoesorina aminy ny «immunité» parlemantera raha voaporofo ny fandikan-dalàna. Ny mahagaga, hoy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita dia izahay natao hanara-maso ny mpanatanteraka indray no toa arahin-dry zareo maso noho ny baiko midina avy any ambony any.

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT