Politique

Mamy Rakotoarivelo «Rahonana hogadraina foana isaky ny avy maneho hevitra»


  • Alarobia 15 Desambra 2010

Naharitra adim-pamantaranandro telo ny fihainoana ireo mpitaritolon’ny Ankolafy Telo dia i Mamy Rakotoarivelo, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sady Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara sy Lalatiana Ravolomanana, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert sady filohan’ny antoko Manda ho an’ny Firaisam-pirenena izany.

Tsy dia nisy nipika loatra ny fandehan’ny fanadihadiana tao satria samy nanaja ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana izy roa ireo. Na izany aza anefa dia samy nanambara ireo tamin’ny fivoahany tao amin’ny biraon’ny zandary ao amin’ny sampana misahana ny heloka bevava Fiadanana fa mba mangataka fitoniana kely ara-politika amin’izao andro fety izao. Mangataka koa ireo ny mba hanamaivanan’ny FAT ny manjo ireo mpitolon’ny Ankolafy Telo izay nogadraina amin’izao fotoana izao. «Mendrika azy ireo ny mba hanomezana fahafahana vonjimaika mba hahafahany manao fety miaraka amin’ny fianakaviany», raha araka ny filazan’i Mamy Rakotoarivelo.

Momba ny fanadihadiana azy ireo indray dia nanazava hatrany izy mianadahy fa tsy naniraka olona hanakorontana ny fetin’ny FAT izany. «Mikajy mandrakariva ny filaminana sy ny fandriampahalemana izahay ary tsy misy hifandraisany aminay mihitsy izay korontana mitranga any, fa ireo voasambotra no manonontonona ny anarany tany. Ny tohiny aloha dia tsy mbola fantatra. Na izany aza dia mampalahelo ny mieritreritra fa isaky ny mba maneho hevitra aho dia misy avy hatrany ny fandrahonana ahy hoe : hosamborina sy hogadraina», raha araka ny fanazavan’i Mamy Rakotoarivelo hatrany.

r.d
 
sary : Mamy Rakotoarivelo sy Lalatiana Ravololomanana mifampitafa amin’ny Me Hanitra Razafimanantsoa, mpiaro azy ireo, taorian’ny fakana ambavany teny Fiadanana omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT