Talanjona avokoa izay nanaraka ny vaovao teny amin’ny fitsarana omaly. Tonga teny an-toerana araka ny fiantsoana nataon’ny fitsarana taminy i Mamy Rakotoarivelo omaly.
Ny nahagaga anefa dia tsy mahakasika velively ilay fiampangana farany teo, mahakasika ny hoe voatonona tao anatin’ny raharaha baomba, no antony nanadihadian’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao fanadihadiana azy. Raharaha hafa mihitsy dia ny fikomiana tao amin’ny tobin’ny RAS tamin’ny desambra 2009 no nanontaniana azy. Nolazaina indray fa voatonona ny anarany tamin’iny raharaha iny, raha araka ny fanazavan’ny Me Hanitra Razafimananatsoa, mpisolovava azy.
Hatramin’izay herintaona izay dia tsy nisy mihitsy ny fanononana ny anaran’ity mpanao politika ity. Izao, rehefa manaiky ny hatao fanadihadiana izy dia hamoronana dosie tampoka indray. Raha ny marina tokoa mantsy dia tsy hita izay hitazomana azy momba ilay raharaha baomba. Raha ny tsiliantsofina re dia nanaiky ireo voasambotra nandritry ny fampifanatrehana nataon’ny fitsarana fa notonontonon’izy ireo fahatany fotsiny ny anaran’i Mamy Rakotoarivelo nandritry ny fanadihadiana azy, na ny marina kokoa mba hamotsiana azy ireo fotsiny. Voaporofo mazava izany ny filazan’ity mpitari-tolona ity fa tadiavina hosamborina sy hogadraina hatrany izy isak’izay avy maneho hevitra. Porofo mivaingana izao famoronana dosie izao. Raha ny marina anefa dia raharaha efa voatsara iny resaka RAS iny, kanefa dia tsy tahotra tsy henatra ny namoahana azy tampoka indray amin’izao toe-draharaha politika mamaivay izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.