«Hanaporofoana amin’ny Malagasy sy amin’izao tontolo izao izay tena tian’ny Malagasy dia avelao i Andry Rajoelina hilatsaka», hoy i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana eto an-tanindrazana, tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka.
. Izy anefa no nilaza fa raha ny andininy faha-16 ao amin’ny fifanarahan’i Cotonou sy ny sata afrikanina momba ny zon’olombelona sy ny demokrasia dia tsy mahazo mandray anjara amina fifidianana, tsy afaka mirotsaka hofidiana ny mpanongam-panjakana toa an’i Andry Rajoelina. Andry Rajoelina izay ampangain’i Mamy Rakotoarivelo fa misakana ny fodiana sy ny filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana.
Aleo ho fantatry ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy mampanjaka ny demokrasia eto, hoy ihany i Mamy Rakotoarivelo ka raha sanatria ka hilaza fa tsy mahazo mirotsaka i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ho avy eo ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia mpiray tsikombakomba amin’i Andry Rajoelina. Nambarany moa fa tsy ho ela dia ho tonga ny filoha Ravalomanana. Raha tara indrindra, hoy i Mamy Rakotoarivelo dia tsy tokony ho dilan’ny 18 oktobra izany. Ankoatra izay, momba ny raharaha Ruffine Tsiranana dia niezaka nanadio ny tenany ny filohan’ny kongresy, nilaza fa efa nifampiresahana efa-bolana mialoha tamin-dRtoa minisitra ny momba ny departemantany. Ny fampandehanana ny ministera no tanjona, araka ny fanazavany.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.