Mamy Rakotoarivelo

> “Tsy mivadika ary tsy hivadika izany aho”


  • Alatsinainy 24 Febroary 2014

Nazava ny hafatra nentin’Atoa Mamy Rakotoarivelo, Sekretera Jeneralin’ny Tiako i Madagasikara teny amin’ny Magro Tanjombato ny sabotsy teo ny amin’ny tena heviny mikasika ny fanakisahana azy tsy ho mpitarika ny ankolafy Ravalomanana intsony.

Misy ny feo mandeha, hoy izy, fa mivadika i Mamy Rakotoarivelo. “Efa hatramin’ny taona 2001 aho no teo, teo koa tamin’ny 2009 ka tsy i Mamy Rakotoarivelo no hivadika izany. Tsy hivadika aho ary tsy hivadika izany mihitsy fa mitaky mandrakariva ny hiverenan’i Dada an-tanindrazana. Nisy fandaminana napetraky ny prezidà Marc Ravalomanana ka manaraka izahay. Aza matahotra fa efa teo amin’ny fitantanana ny Lapan’i Tsimbazaza isika fa tsy an’ny MAPAR 100% izany io toerana io fa mifandanja tsara ny hery ao”. Ny filohan’ny ankolafy ankehitriny kosa, ny minisitra Roland Ravatomanga dia nanamarika fa tsy hivadika amin’ny vahoaka ny ankolafy Ravalomanana ary iray tsy mivaky, porofo izao endrika rehetra hitanareo ety anoloana izao. Nasiany resaka ny mikasika ny Tiako i Madagasikara ka nilazany fa miverina amintsika ny Tiako i Madagasikara ary efa eo am-pandaminana azy isika ankehitriny. Izay nivadika kosa tsy avelantsika hitarika ao intsony. Tsy mijanona isika raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana ary manohy ny fampiresahana isika saingy tsy miova amin’io hevitra fototra io.

 

RHR/Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT