Nazava ny fanambaran’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo novoizin’ny haino aman-jery maro samihafa omaly fa dia hitarika an’ireo mpikamban’ny Kongresy sy minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana hanatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an’i Hery Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika faha-4 eny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina izy.
“Tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana aho”, hoy izy, fa “amin’ny maha filohana andrim-panjakana ahy no hanambarako izany ary ny tena moa demokraty dia manaja izay fanapahan-kevitry ny besinimaro”. Efa fantapantatra hatry ny ela avokoa moa ireo rehetra hanaraka an’ity filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ity amin’ireo olona voatoniny ireo satria efa ela ny tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka no efa nahatsikaritra ny fihetsik’izy ireo ary nahatonga ny disadisa anatiny tsy nety nifarana hatramin’ireny fiatrehana ny fifidianana natao teo ireny. Mazava moa izany fa noho ity fanapahan-kevitra ity indrindra no namahana olana haingana ny fandoavana ny karaman’ireto mpikamban’ny Kongresy namany ireto. Raha ny feo heno ihany koa dia matahotra mafy ny hitsimbadihan’ny teo-draharaha ireto mpitarika ny tolona teny an-kianja ireto raha toa ka tena manam-piniavana ny hamerina ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tokoa ny filoha vaovao Hery Rajaonarimampianina. Raha ny vaovao farany azo kosa anefa dia nilaza ny tsy ho eny Mahamasina mihitsy na dia hahazo fanasana sy toromarika aza ny MCT Hilarion Rarison fa ho eny an-kianjan’ny Fahamarinana toy mahazatra araka ny nifanarahan’izy sy ny namany hafa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.