Tao anatin’ny lanonana fifampiarahaban’ny Zanak’i Dada ao amin’ny Boriborintany fahatelo eto Antananarivo Renivohitra tetsy amin’ny foiben-toeran’ny Tiako I Madagasikara etsy Bel’Air tamin’ny sabotsy teo no nilazan’i Mamy Rakotoarivelo, Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara fa efa manana mpandimby tanora dia tanora izy dia ny depiote Mamy Rajohnson vao voafidy farany teo tamin’ny alalan’ny ankolafy Ravalomanana ka atolony azy ny faneva saingy tsy miala ao amin’ny boriborintany fahatelo kosa anefa izy.
Ankafaliana no andraisako izany tsodranon-draiamandreny izany, hoy ity farany, ka mampanantena ny hanohy ny tsara efa vita ny tenako ary hanitsy ihany koa izay lesoka. Raha ny marina, hoy i Mamy Rajohnson, ity lanonana nataonay eto amin’ny boriborintany fahatelo ity dia sady fifampiarahabana nahatratra ny taona 2014 no fisaorana ihany koa an’ireo mpitolona teny anivon’ny Fokontany 34 ato amin’ity Firaisana ity fa tena nahavita be tokoa ry zareo tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny ka nahazoana vokatra tsara ho anay teto amin’ny Boriborintany fahatelo. Raha ny marina, hoy izy, dia ny tena no nitarika tamin’ireny voka-pifidianana ireny saingy… tsy asiana resaka be intsony ny amin’izay niseho taty aoriana. Izahay izao, hoy ity depiote ity, dia efa miomana fatratra amin’ny fifidianana manaraka ka efa manomboka midina ifotony manetsika ny mpikambana manerana ny Fokontany. Tsy vao izao anefa izahay no manao izany fa efa hatry ny ela. Ankoatra an’i Mamy Rakotoarivelo dia tazana tao amin’ity lanonana tetsy Bel’Air ity koa ary niaraka nifampizara ny nofonkena nitam-pihavanana ireo solombavambahoaka vitsivitsy vao lany teto Analamanga notarihan’ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa ary ireo mpikambana teo aloha tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, indrindra ireo avy any amin’ny Faritra notarihan’i Hilarion Rarison.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.