Politique

Mampiaka-peo ny Olobe sy ny mponina “Aiza ireo toky nomena taty Vangaindrano?”


  • Talata 03 Novambra 2020

“Adino ve i Vangaindrano tamin’ireo toky nomena sa mbola tsy laharam-pahamehana ka nanarahana ny aingitraikitry ny mpanatanteraka tamin’ny fahefany?

 

 

 hoy ny fanambaran’ny Ampanjaka sy to teny, ny fokonolona tao Vangaindrano. Ny 4 martsa 2019, nisy ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena ny hampidirana ireo fotodrafitrasa, toy ny tetezan’Akaramanga mirefy eo amin’ny 75 metatra ity ao amin’ny Kaominina Tsiately, 17 Km miala ny renivohitra mampitohy azy amin’ireo Kaominina manodidina azy sy ny Distrikan’I Vangaindrano ka nampikaikaika ny mponina manodidina ny 7521 mampiasa izany. Ao anatin'ny laharam-pahamehan'ny asa ato amin’ny Faritra, ka io tetezana Ankaramanga io no lohalaharana, hoy ny filoha raha vantany vao tafapetraka ny Governoran'ny Faritra, raha ny fampahatsiahivana. Isan'ny efa nahazo fankatoavana ihany koa ny Fisitrahan'ny mponin'i Tsiately Jiro Jirama miampy fanamboarana ny làlana mampitohy ny Fokontany sy ny mihazo ny Renivohitryny Distrikan’I Vangaindrano. Nisy ny teny nomen'ny Filoha ny vehivavy iray tanora vao erotrorony zanak'ity Kaominina ity ny raha manaiky ny tsy hilatsahany ho solombavambahoaka ka hanohana ny kandidan’ny IRD. "Tsy voatery ho olom-boafidy ihany vao afaka mitondra fampandrosoana amin’ny tanindrazana fa na dia olom-boatendry aza. Raha manaiky tsy milatsaka ianao ka hampandany ny kandidantsika no miray lisitra aminy koa dia hisitraka an'ireo Fotodrafitrasa ireo ny kaominina misy anao no sady omena andraikitra ahafahanao miasa sy manao « Gestion de carrière Administrative » ho an'io Faritra misy anao io ianao mandritra ny 5 taona mandra-pahatapitry fe-potoana iasan'ireto », hoy ny fampahatsiahivana ny toky nomena. Nofoanan'ny Filoha tamin’ny 23 septambra 2020 anefa ny fanendrena ilay hany zanaky ny kaominina. Efa ho roa taona izao no nametrahana ny Governora nefa tsy kanefa tsy misy manomboka ny fampanantenan’ny Filoha na iray aza,.... hoy ny fanairana sy fampahatsiahivana notronin’ny Lehibem-pokontany telo, Filohan’ny KMD 4, Ampanjaka telo, Lonaky 7, Filoham-behivavy sy Fokonolona,…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT