Politique

Mampiaka-peo ny mpahay lalàna “Tsy Ravalo no vonoinareo fa ny Malagasy”


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

"Ajanony any aloha ny resaka politikanareo fa tsinjovy ireo Malagasy miasa ao mamelona tokantrano", hoy ny mpitsara iraisam-pirenena Arlette Ramaroson sy ny mpisolovava Me Willy Razafinjatovo na Olala omaly teny amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina.

 

 

Notsiahivin’izy ireo fa isan’ny nankatoa ny lalàna iraisam-pirenena momba ny asa i Madagasikara, ka mety ho tonga any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity raharaha ity. Niantso ny Filoham-pirenena hiverina amin’ny fanapahan-keviny, ary niantso ihany koa ny mpiaro ny zon’olombelona izy ireo. “Mason’olon-tsotra, masona Malagasy manan-bady aman-janaka, manana andraikitra no hijereko azy. Ao anatin’ny fahasahiranana sy hamehana ny tany sy ny firenena, mihasimba hatrany ny fiainan’ny olona. Izao Me Willy aza amin’ny asako sy ny toerana misy ahy mihena sy miha ambany ny fiainako, mainka fa ireny tsy Me Willy ireny manao ahoana ny fiainana?” Hoy ny mpisolovava Willy Razafinjatovo. Na manankarena aza Tiko dia iankinan’ny fiainan’olona maro, ary mitovy amin’izany daholo ireo orinasa na ana karana na zone franche,… dia toy izany avokoa. Raha hidianao io dia ho aiza ireo olona ireo ? Efa firy arivo ny very asa amin’izany? Ampio ny orinasa, ary efa nitaky fanampiana ny fikambanan’ny orinasa toy ny SIM, GEFP,… kanefa tehamaina sy kanota mihitsy no hamalianao azy. Izaho tsy mieritreritra an’i Mr Ravalomanana fa azy iny, fa mieritreritra hoe mba hanao ahoana ireo olona miara-miasa aminy ireo. Mampalahelo, fa tsy misy mpandray intsony izany ireo ronono? Talohan’ny mbola tsy nidian’ny orinasa aza izany ka hatao aiza sa hanasana tongotra? Tsy hanao izay mahafalifaly an-dranona sy ranona fa miteny fotsiny ho an’ny maha-Malagasy, hoy ny Me Olala.

ZO HIANTOHAN’NY LALAMPANORENANA

Ilaina ny mampahafantatra, hoy ny mpitsara iraisam-pirenena, Arlette Ramaroson, fa i Madagasikara dia nanao ny fifanarahana momba ny zo ara-tsosialy, toekarena ary ara-kolontsaina ny taona 1971. Manana zo hiasa ny isam-batan’olona. Nilokaloka teo anatrehan’ny firenena mikambana isika fa hiaro izay zo hiasa izay. Na ny olona tsy an’asa aza tokony hiantohan’ ny fanjakana kanefa ny zava-misy eto dia roahana amin’ny asa indray ny Malagasy. Na ny sasiteny na “preambule” amin’ny lalampanorenana aza dia milaza ny maha zava-dehibe izay zo hiasa, ho salama, hisakafo, hianatra, handry fahalemana.

 

J MIrija sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT