Politique

Malalatiana Rasoaniana Mitaky indray ny GVTD


  • Zoma 07 Janoary 2011


«Tsy diso mihitsy ny fijerin’ny vehivavy MFM hatramin’izay», hoy Rtoa Malalatiana Rasoaniana mpitarika azy ireo, «fa nohamafisin’ny Kôlônely Charles Andrianasoavina izao fa tena fanonganam-panjakana no nisy teto amintsika tamin’ny taona 2009». «Mihamafy hatrany izany ny tsy hisian’ny fankatoavana ny tetezamitan’i Andry Rajoelina sy ireo fivoriana sy fikaonan-doha ary ny sarintsarina «conférence nationale» nataony rehetra ireny. Mbola tsy mitombina koa araka izany ny fitsapan-kevim-bahoaka natao farany teo ka mitaky hatrany ny fanafoanana azy iny izahay vehivavy MFM». «Tsy misy afa-tsy ny fandravana ny zava-misy rehetra nantsagana tao anatin’ny roa taona no mahavaha ny olana eto amintsika ankehitriny», hoy Rtoa Malalatiana, «dia mody an-tanindrazana Ravalomanana Marc sy Ratsiraka Didier izay vao manangana ny tetezamita tena izy isika mianakavy ho amin’ny demôkrasia marina dia ny GVTD araka ny filazan’ny MFM azy hatrizay». Nambarany mazava koa fa tsy manaiky velively ny hisian’ny fisokafana ataon-dRajoelina sy ny fanatevenan-daharana ny governemanta izay hatsangany ho avy eo ny vehivavy MFM. Karazany efa voafitaka ny vahoaka tamin’ny kabary fampidinana ny kilaon’ny vary ho manodidina ny 1100 Ar nefa ny fampanantenana natao fahiny dia ho 500 Ariary. «Efa miteny daholo izao ny mpanohana an-dRajoelina marobe teny amin’ny 13 mai», hoy ity mpitarika ny vehivavy MFM ity, «fa diso fanantenana ary mahatsapa fa izy Andry Rajoelina no tena fototry ny krizy misy eto Madagasikara ankehitriny».

Manohy
 
Sary : Malalatiana mpitarika ny vehivavy MFM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT