Politique

Maka Alphonse “Miha potika ny soatoavina sy toe-tsaina ”


  • Alakamisy 19 Novambra 2020


 

 


Mirongatra izay tsy izy eto amin’ny firenena amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana izao ny herisetra, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse. Fotoana lavalava izay no nisian’izany. Isany ny resaka fanolanana. Ny mampalahelo dia mamoafady no mitranga satria na ny rainy na ny dadatoany ilay manolana. Manakaiky tokoa angaha ny farany satria tsy mifidy ilay izy na lahy na vavy. Miha potika ny toe-tsaina sy soatoavina Malagasy. Mba nametraka ny fiainan’ny olona ho ambony dia ambony ny fahendren-drazana saingy ny tontolo iainana sy haino aman-jery ankehitriny hatramin’ireo tambazotra sosialy mampiseho sary mamoafady mihitsy angamba no tena mampirongatra. Lazaina fa fandrosoana moa ireny nefa miteraka zava-dratsy ho an’ny fiarahamonina. Tsara ilay hoe fanenjanana fanasaziana fa tsy ampy fanabeazana. Manana andraikitra amin’izany daholo ny anatin’ny fianakaviana, sekoly, haino aman-jery sy ny rehetra. Misarika ny sain’ny tomponandraikitra aho, hoy hatrany ny tenany, mba hampitombo ny fanabeazana mifototra amin’ny kolontsaina sy soatoavina Malagasy mba tsy ho potika ny firenena sy taranaka. Taloha, hoy izy, fony aho nanao gazety, miafina izany LGBT izany alaina feo ary maha taitra ny olona ny mahita vono olona anaty gazety fa izao efa toy ny mandeha ho azy daholo izany.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT