Politique

Maka Alphonse - CFM « Hampihavana ny mpitondra sy mpanohitra izahay »


  • Alakamisy 18 Febroary 2021

Miha mafana saika tahaka izao no nitrangan krizy poltika, manao antso avo

 

 

amin’ny vahoaka sarotra ny raharaha tsy tombotsoantsika ny hidirana amin’ny krizy, ny mpanao politika mba hijery ny tombotsoa ambonin’ny firenena, hoy ny Flohan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM Atoa Maka Alphonse omaly . Tao anatin’ny 10 andro no efa nisy ny fihaonana mivantana nataon’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy tamin’ny solontenan’ny ankolafin-kery eto amin’ny firenena. Ho an’ny mpanohitra dia nahitana an’i Alain Andriamiseza sy Fidèle Razarapiera ary ny avy amin’ny Fitondram-panjakana izay nosolon’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny solontenan’ny Filoham-pirenena ny avy amin’ny Fanjakana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny CFM omaly. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny FFKM. Hatramin’izao dia nambarany fa velom-panantenana satria na ny andaniny na ny ankilany dia vonona hifampiresaka. Ny hirariana dia hifampiresaka amin-kitsim-po tsy misy fihatsarambelatsihy, hoy i Maka Alphonse. Mbola tsy misy kosa ny fandaharam-potoana mazava amin’ny fampihaonana ny mpitondra sy ny mpanohitra na efa samy noraisin’ny CFM aza izany ny andaniny sy ny ankilany. Anio raha tsy misy ny fiovana no voalaza fa hanao ny tatitry ny dingana ny CFM. Asa ihany koa na hanova zavatra ato anatin’ny 48ora farany tsy higadonan’ny sabotsy 20 febroary ambaran’ny Miara-manonja sy ny depiote TIM fa hihaviany eny Ambohijatovo ny resaka fifampiresahana sy fanelanelanana mety hipoitra ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT