Politique

Maka Alphonse - CFM “Any amin’ny Fanjakana ny baolina amin’ny fanonerana”


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Nanazava ny mahakasika ny fombafomba ahafaha-manao ny fanonerana ny lasibatra noho ny krizy teto amin’ny firenena ny Filohan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) nandritra ny fanateran’ny Vondron’orinasa Tiko ny antontan-taratasy fanamafisana ny fangatahana ny fanonerana ho azy omaly.

 

 Voalazan’ny andininy faha-59 amin’ny tondrozotra, fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny didim-panjakana laniana ao amin’ny filan-kevitry ny minisitra ny fampiharana ny fanonerana, ka eo dia efa voasakan’ny fisaraham-pahefana. Na izany aza dia efa manao fanadihadiana niainga tany amin’ny raharaha 2002, hoy i Maka Alphonse. Voalazan’ny lalàna ihany koa fa tsy maintsy hatsangana ny Tahirim-pirenena FNS (Fonds National de Solidarité) araka ny andininy faha -27, ka mandray anjara ara-bola ny Fanjakana, ny mpiara-miombon’antoka. Ny an’ny fanjakana dia tsy maintsy voafaritra sy voasoratra ao anatin’ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Raha tsy misy ny FNS dia tsy afaka mihetsika ny CFM. Nanantona ireo manam-pahaizana, ary nanolotra volavolan-dalàna tany amin’ny governemanta mba hamoahana didim-panjakana ny CFM, ka ny iray dia ny “Principe et modalité” momba ny fanonerana, ary ny faharoa dia ny fananganana ny FNS sy ny CNRI (Caisse National de Répartion et de l’Indemnisation), fa tsy manana fahefana amin’ny famoahana didim-panjakana izahay, hoy i Maka Alphonse. Tsy mbola misy na ariary aza ao anatin’ny kitapom-bolan’ny FNS amin’izao fotoana izao raha ny nambarany. Eo anatrehan’ny hoe fahavoazana sy antsojay amin’ny orinasa Tiko, dia voafetra noho ny fisaraham-pahefana ny fahefahanay, kanefa raha misy zavatra miteraka lonilony dia nambarany fa tsy miala andraikitra ny CFM. Tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana, ny resaka hetra, fa any amin’ny resaka fanonerana dia andraikitray, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT