Tsy misy amin'ireo mpandinika sy mpamakafaka politika afaka mamantatra izay tena mety hiafaran'ity krizy eto Madagasikara ity.
Ny mpahay toekarena kosa aloha dia efa mahalala fa potika amin'ny ambongadiny ny toekarena sy ny fihariana eto, ary mahazo vahana ny sehatra tsy manara-penitra sy ny trafika isan-karazany. Sarotra ny maminavina ny mety hitranga rahampitso, satria avo lenta sy feno sangodimpanina loatra ny politika anatiny sy ivelany ka mampitarazoka ny krizy. Niainga tamina ankolafy roa ny fifampidinihana, nitombo ho ankolafy efatra, nisy ny fifanarahana politika nosoniavina antoko sy fikambanana politika efa ho 400 teny Ivato.
Raikitra indray ny fandrafetana ny tondrozotra avy eo, koa dia 10 ny vondrona politika nanasonia azy. Efa voatetin'reo mpanao politika Malagasy i Afrika, isan-karazany ny Afrikanina tonga nanelanelana teto. Hatramin'ireo Nosy kely aty amin'ny ranomasimbe Indiana aza dia mba efa nanome lesona ny Malagasy. In-telo tany New York nanatrika ny fivoriamben'ny ONU i Andry Rajoelina, voasiotsioka sy voaroaka tamin'ny voalohany, afaka nikabary kosa tamin'ny herintaona sy tamin'ity taona ity.Efa hatramin'ny 2009 no nilaza fa ho avy tsy ho ela Atoa Ravalomanana, 2012 isika izao fa tena mbola ankamantatra ihany ny ho fahatongavany eto na tsia. Isan-karazany izay fihetsiketsehana nataon'ny fiarahamonim-pirenena izay mba hoe hanelanelanana sy hampihavanana ny mpanao politika, fa toa ny samy olon'ny fiarahamonim-pirenena indray no mifanakiana sy midongy seza ankehitriny.
Tena mbola maizina ny vodilanitra ho an'i Madagasikara ka izay no mahatonga ny mpanara-baovao maro mihevitra fa mety hihemotra indray io datim-pifidianana navoakan’ny CENIT ary efa neken'ny sehatra iraisam-pirenena io satria tahaka ny tsy mampino hoe, ho voalamina ao anatin'ny enim-bolana izany olana rehetra izany. Sa ve azo eritreretina fa afaka herinandro na iray volana dia hihavana sy tena hifamela i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, hiverina an-tanindrazana ny amiraly ka hanasonia ny tondrozotra dia hanaiky hiditra amin'ny tetezamita, tsy hisy intsony ny fanehoan-kevitra politika manenjika an'izatsy na izaroa fa dia tena hifanome tanana amin'ny fitantanana ny tetezamita ny mpanao politika rehetra, ary dia voasambotra i Remenabila sy ireo dahalo rehetra miaraka aminy ka hilamina ny any atsimo ? Moa va tsy izany no fanirian'ny maro, ary tena hitondra fitoniana eto, saingy maha kely finoana ny hahatanterahany noho ny fisian'ireo vondron'olona matanjaka, manambola lava tanana eto anatiny sy any ivelany ka mahita tombontsoa amin'ny fikorontanan'i Madagasikara. Izy ireo no mandany ron-doha isan'andro mikaroka ny fomba hitaran'ny tetezamita sy tsy hampihavana ny mpanao politika, izy ireo no manaiky ampiasain'ny mpanjanatany hiaro ny tombontsoany eto. Miasa mafy izy ireo ary tsy mba fantany izany hoe enjehan'ny eritreritra na manenina amin'ny ratsy natao izany. Fanetriben'ny firenena ireo, ary loharano nipoiran'izao krizy sarotra vahana izao. Ka asa hoe iza no afaka mandresy azy ireo sy mampitsahatra izao fanapotehana ny firenena izao !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.