Resaka mizana tsindrian’ila teo amin’ny fomba fitondrana ny samy mpianatra mpikaroka teny Ankatso sy Befelatanana no antony nampimpoaka ny tolon’ny 13 mey 1972,
hoy ny fampatsiahivan’ny mpahay lalàna ,anisan'ny mpitari-tolona tamin’izany fotoana, Willy Razafinjatovo na Olala, raha nanati-boninkazo teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly. Nitohy tamin’ny hetaheta ho amin’ny fanovana ny politikam-pampianarana izay voagejan’ny “accord de cooperation” izay nantsoin’ny mpianatra hoe satan’ny fanandevozana izany, hoy hatrany ny fanazavana. Nalefa nogadraina hatrany Nosilava ireo mpianatra. Tamin’io fotoana io no mba nahafantarako izany mopera Remi Ralibera izany, mpitolona sady mpanoratra izay nankahery ahy hoy ny Maitre Olala. Ny fandrenesana ny tenin’ny filoham-pirenena tamin’izany hoe “tsakitsaky zato arivo” sy ny fomba namonoana ny namanay teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ary ny fahenoanay fa manao politika izahay nony tonga teto Antananarivo no nahatonga anay nilaza hoe manomboka izao dia manao politika izahay ka mitaky ny fialan’ny mpitondra, hoy izy. Nomarihiny hatrany moa fa tolon’ny mpianatra madiodio no niatombohan’ny tolon’ny 13 may. Mendrika ny ho tsaroana, hoy izy, ireny maritiora ireny satria maty ho an’ny rehetra. Ny tombontsoa notovozin’ny firenena noho iny tolona iny dia tadidio fa tamin’ireny mbola nisy minisitra frantsay tao amin’ny governemanta. Nisy toby miaramila frantsay. Ny tompom-pahefana anaty governemanta mbola saika frantsay daholo saingy misy intsony izany ankehitriny. Raha ny mpitolona tamin’ny 1972 no nitondra ny firenena hatramin’izao fotoana izao dia efa azontsika hatramin’ireo nosy manodidina saingy ny olana dia ireo mpijapy “train” no nahazo fahefana tao aorian’izay rehetra izay, , hoy hatrany ity mpisolovava ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.