Politique

Maitre Ratsimaharijaona Hermann Ory hava-manana ny mpanao politika gasy


  • Alakamisy 27 Septambra 2012

olona sy fanaovan’ny mpanao politika ady am-parimbona ary mizaka ny ramatahora samy hafa ny vadintany. Tao anatin’izao krizy izao, vao mainka nihamafy izany ary tonga hatrany amin’ny vady aman-janany ihany koa. Nisy ny resaka nifanaovanay tamin’ny Maitre Ratsimaharijaona Hermann, izay vadintany sy mpanao lavanty nanomboka ny 13 jolay 1998…

 Tia Tanindrazana (TT) : Inona marina no tena asanareo vadintany itony, ary ahoana ny iainanareo izany ao anatin’izao krizy politika izao ?

Maitre Ratsimaharijaona Hermann (Me Hermann) : Maro ny asa ataonay izay mifandraika amin’ny resaka fitsarana sy fifanolanana eo amin’ny olona roa na antonkon’olona roa na andian’olona roa… Ny tena hahafantaran’olona anay dia ny fanatontosana ny didim-pitsarana ary io no tena olana amin’izao vanim-potoana izao. Tsy milamina ny fiainanay vokatry fidiran’ny mpanao politika amin’ny asanay, nefa tsy natao hiady amin’ny Fokonolona izahay fa didim-pitsarana tsy tanterahana no ataonay satria izay no asanay miaraka amin’ny fitsarana. Raha tsy mahavita ny asanay izahay, dia afaka managadra anay ny lehiben’ny fampanoavana ambony sy ny filoha voalohany ny fitsarana ambony, ka tsy maintsy vitanay ny asanay na misy tsy faly aza.

TT : Koa tsy ho fahavalonareo avokoa izany ny vahoaka, satria tsy dia mahafaly olona ny fanatontosana io didim-pitsarana io ?

Me Hermann : Ka eo indrindra no olana satria tsy fantatra intsony ny fahavalo eo amin’ny fiarahamonina. Ireo tsy tia anay ireo dia manana ny fianakaviany sy ny namany ary olom-pantany. Tsy izy ireo ihany, fa eo koa ireo mpiaro azy, indrindra ireo resy amin’ny didim-pitsarana, eo koa ny mpitsara sy ny mpiara-miasa aminay sasany manana rohim-pihavanana amin’ireo resy. Na izany, manana ny zonay izahay vadintany dia ny fanaovana “requisition” ny lehiben’ny fampanoavana sy filoha voalohan’ny fitsarana ambony ary ny fakana mpitandro ny filaminana miaro anay amin’ny asanay.

TT : Raha izany voalazanao izany, afaka manao ny asanareo amin’ny laoniny ihany izany ny vadintany ?

Me Hermann : Afaka manao ny asanay izahay, tsy olona no enjehanay, fa ny didim-pitsarana izay asanay no tanterahanay. Amin’ny anaran’ny “Repoblika Malagasy” koa no hanatontosanay ny asanay ; izay no maha mpanompo firenena anay vadintany noho izahay mametraka ny tany tan-dalàna eto amintsika.

TT : Inona no tena olana matetika iainanareo mahatonga ny olana goavana iainanareo vadintany izao ?

Me Hermann: Ny olana ara-tany no tena olana goavana ankehitriny. Tsy vitan’ny efa tsy manara-dalàna ireo resy amin’ny didim-pitsarana, fa mbola midongy tanin’olona manan-tompo sy vita “borne” sy kadasitra ihany koa. Ilay resaka “vahoaka madinika” no entina ao anatiny, nefa tsy miady aminay izany satria na “vahoaka madinika” io na “vahoaka vaventy”, dia ny didim-pitsarana didy ihany ka tsy maintsy tanterahina. Ny tena olana goavana izao dia ny fidiran’ny mpanao politika sy ny olom-boatendrin’ny tetezamita na “sefo” ao anatin’ny raharaha fa hoe “mpiaro ny vahoaka madinika”; hany ka tsy voahaja intsony ny maha “Repoblika Malagasy” tan-dalàna dradraina isan’andro eto. Manampy trotraka amin’izany koa ireo mitonona ho fikambanana izatsy na zaroa, nefa ny ankamaroany dia mitango vola sy misandoka ary mikolikoly fotsiny amin’ireo voalaza fa “vahoaka madinika” manana olana ara-tany. Efa betsaka no tratran’izany, nefa mbola betsaka koa ny tsy mety fay, na mitsahatra noho ny fampiatoana ny fanatontosana ny didim-pitsarana iray, tokony ho fantatra ireo olona sy fikambanana ireo fa ny didim-pitsarana didy ihany, ka na ho ela na ho haingana mbola ho avy foana ny fanatontosana azy araka ny lalàna sy ny ao anatin’ny “Repoblika Malagasy” maniraka anay.

TT : Inona ary no toromarika omenao ireo “vahoaka madinika” mahakasika ity raharaha ara-tany ity ?

Me Hermann : Tsotra, “aleo mifanaraka iraisana toy izay miditra amin’ny fitsarana tsara rafitra”; nefa safidy io ka tokony hahazaka resy izay resy amin’ny didim-pitsarana mivoaka, ka hanaiky ny hanatontosana ny didy fa tsy tokony hanao sakana na efa resy vao milaza ny hifanaraka indray. Mba jereo ihany koa ny tena marina, fa betsaka ny mpamitaka sy mpisoloky indrindra momba ny resaka tany. Ny mpanao politika ihany koa ny vaton’ny olona no mahamaika azy, ka na tsy mifanaraka amin’ny lalàna aza dia ny miaro be fahatany no ataony, nefa ireny rehetra ireny no mahatonga ny vahoaka sy ny firenena tsy ho tan-dalàna. Heloka ary mety hidirana am-ponja ny fanoherana didim-pitsarana, heloka ary mety mampigadra koa ny fiverenana amin’ny toerana efa nanalana anao izay fananan’olona araka ny didm-pitsarana ihany. Misy lalàna mikasika ny tany eto amintsika, ka tokony harahana ireny fa tsy hitsabahan’ny mpanao politika sy ireo mitonona ho fikambanana ireo.

TT : Mahavelona ve ary ny manao ity asa ity ?

Me Hermann : Toy ny asa rehetra io, mahavelona sady mahafinaritra raha am-pitiavana no hanaovana azy. Izay no mahatonga azy misy fifaninanana ny fidirana aminy ary mandalo dingana maro vao azo antsoina hoe vadintany ny olona iray manao ny asa. Ny indro kely fotsiny dia eo amin’ny ampaham-bolanay eo anivon’ny fitsarana izay tena kely tsy mifanaraka amin’ny asa sy ny fivoaran’ny fiainana misy ankehitriny. Na izany aza, tsy manana olana tahaka ireo namanay any amin’ny faritra hafa izahay eto Toamasina, satria miezaka manatsara ny ampaham-bolanay ny lehiben’ny fampanoavana sy ny filoha voalohany ny fitsarana ambony Toamasina.

TT: Hamaranana ny resaka, mety hanao politika ve ny Maitre Hermann indray andro any ?

Me Hermann : Tsy ao anaty politika ihany no ilazana fa manompo firenena ny olona iray. Ny asanay dia efa fanompoam-pirenena goavana amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Ny asanay ihany koa tsy mety mifangaro loatra amin’ny politika amin’ny fahitako azy satria ny politika mila olona manohana sy hifidy, ny asanay anefa mahabe fahavalo amin’ny fiaraha-monina sy ny vahoaka, ka tsy mifanaraka mihitsy izany. Tsy mbola ato amiko ny fanaovana politika…raha hanao izany aho dia any Etazonia (nihomehy sy nihanihany)…ny Mpanao politika “sasany” mantsy ory hava-manana sy manao ny halako bika tsy tiako tarehy dia tsy tiako.
 
Nangonin-dRakoutou 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT