Politique

Maitre Olala “Tsy misy fanjakana eto”


  • Talata 15 Jona 2021

Lasa toy ny fanatanjahantenam-pirenena mihitsy ankehitriny ny fanitsakitsahana lalampanorenana, hoy ny mpahay lalàna,

Willy Razafinjatovo na Maitre Olala. Be loatra ny ohatra mikasika izany. Tsy misy governora izany izao ao. Natao hampandrosoana ny fiainam-bahoaka sy ny firenena ny lalampanorenana. Tsy misy zavatra mahaleo tena eto amin’izao. Toekarena ve? Jereo izy io! Toy izany koa ny fitsarana satria tsabahan’ny mpanatanteraka hatrany. Apetrako ny fanontanian’ny filoham-pirenena hoe misy fanjakana ve eto? Hoy aho hoe tsy misy fanjakana eto andriamatoa filoha satria ianao ihany no eo ka jereo ny ataonao! Manao ahoana ny fiantraikany any amin’ny vahoaka? Tsy misy, aotra. Ny vahoaka anontaniana fa tsy ireo mpilelaka! Henoy ihany ny mpanohitra fa ireo no afaka manitsy ny dia. Raha resaka fahaleovantenan’ny fitsarana ao anatin’izao faha 61 taona hankalazana ny fahaleovantenam-pirenena izao indray no resahana dia sady malahelo no miondrika aho fa menatra. Ao amin’ny fiainako manontolo izany ary zavatra iadiako isan’andro dia ny hoe fahamarinana, rariny sy hitsiny, anaty lalana no tokony hivoahan’ny didim-pitsarana. Tsy maintsy hitsabahan’ny governemanta sy ny namany anefa io fitsarana io. Isan’andro ataony fiasana ka toy ny tsy misy fa hoe azy io. Izay tiany hanaovana azy dia voatery manaraka hatrany ilay mpitsara satria matahotra sao hafindra any amina toerana misy dahalo na sahala amin’izany. Fantatry ny mpanatanteraka angamba ny atao hoe “séparation de pouvoir”. Lazaina fa ny mpitsara foana no ratsy saingy aza tsabahana aza ny asany dia ho hita eo na marina tokoa izany na tsia, hoy hatrany izy.

 J. Mirija

Legende : Maitre Olala

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT