Politique

Maitre OLALA “Tsy ananako loko politika ny fiarovana ny marina”


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Tsy miaro ny Tiko izahay fa miaro ny Malagasy, hoy ny, Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, raha naneho ny heviny mikasika ny antony hampiakarany feo manoloana ny fanakatonana asa sy fihariana maro eto Madagasikara.

 

 

Na iza na iza orinasa hiaran’ny tsindrio fa lavo sy didin’ny be sandry dia tsy ekenay raha mbola velona izahay. Na gasy na karana na sinoa na frantsay no hiharan’izany dia tsy mety aminay. Tamin’ny fotoana rehetra naha teny an-tsisin-tosy an’i Andry Rajoelina dia teo foana koa ny tenako niaro azy, hoy hatrany ity mpisolovava ity. Tsy ananako loko politika ny fiarovako ny marina sy ny mpiray tanindrazana amiko. Efa sarotra ny fiainana ankehitriny dia mbola esorina amin’ilay Malagasy indray ve ny asa kely ivelomany. Mody omenao rano kely sy hena kely ilay vahoaka dia avy eo kapohanao ny fanoto ny lohany. Inona no dikan’izany, hoy hatrany izy, nanontany ny antony hanomezana fanampiana ara-tsosialy toy ny Tosika fameno sy Vatsy tsinjo ireo vahoaka kanefa avy eo anesorana azy ireo amin’ny asany. Fiatsaram-belatsihy amin’ny vahoaka izany amiko, hoy izy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT