Politique

Maitre Olala “Tokony hampanao fitsapan-kevi-bahoaka ny filoham-pirenena”


  • Zoma 19 Martsa 2021

Ny lalampanorenana no ambony indrindra amin’ny lalana rehetra misy eto amin’ny firenena, hoy ny mpahay lalàna,

 

 

 Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, naneho ny heviny mikasika ny mbola tsy fivoahan’ny anaran’izay tokony ho filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC handimby ny filoha teo aloha, Jean Eric Rakotoarison. Voahitsakitsaky ny rehetra ankehitriny io lalampanorenana io ary ny mampalahelo dia manitsakitsaka azy matetika koa ny HCC teo aloha. Tsy fantatra hoe rahoviana no ho voatendry ny filohan’ny HCC vaovao satria tsy afaka hanome izany ilay mpitondra satria nisy lalana tokony narahana saingy tsy voaraka. Namoaka ny filohan’ny repoblika tamin’ilay hoe “décret pris en conseil de minisitre” fa foana manomboka amin’ny 12 martsa miaraka amin’ny filohan’ny HCC ny fotoam-piasan’ireo mpikamban’ity rafitra ity rehetra, izany hoe, izy 9 mianadahy. Tsy miteny izany anefa ny lalampanorenana fa izay voatondro sy tapitra fotoam-piasana dia soloina ary manao fianianana vaovao izay tafiditra eo ary manohy ny taom-piasana soloina ireo sasany tafiditra eo. Raha ohatra kosa ka amin’izao fotoana izao lazain’ny filoham-pirenena hoe foana daholo ny fotoam-piasanareo ka olona miisa 9 no indray tondroina sy fidiana dia tokony hanao fanitsiana na “amandement” ny lalampanorenana izy na hanao fitsapan-kevi-bahoaka hanovana ny lalampanorenana. Misy miteny moa amin’izao fotoana izao fa tsy mahita izay ilana ny HCC dia tokony amin’ny alalan’izay fanitsiana na fitsapan-kevi-bahoaka izay ihany koa no hanapahana izany, hoy hatrany ny Maitre Olala.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT