Politique

Maitre Olala sy Arlette Ramaroson “Fanaovana tsinontsinona ny zon’ny mpanohitra izao”


  • Alarobia 30 Jona 2021

Ny lalampanorenana, raha ny voalaza ao amin’ny andininy faha 14, no miantoka ny zo hijoro ho mpanohitra amin’ny fomba demokratika, hoy ny mpahay lalana iraisampirenena teo aloha, Arlette Ramaroson,

 nanazava ny fahitany ny sata vaovao momba ny mpanohitra niaraka tamin’ny mpahay lalana, Willy Razafinjatovo na maitre Olala tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina omaly. Voalaza ao koa fa aorian’ny fifidianana solombavambahoaka, ny vondrona politika mpanohitra dia manendry ny lehiben’ny mpanohitra. Raha tsy misy ny fifanarahana dia ny lehiben’ny vondrona politika mpanohitra izay nahazo vato manan-kery be indrindra tamin’ny latsa-bato no heverina ho lehiben’ny mpanohitra. Tsy izany nefa no mitranga. Nisy ny lalana 2011-013 momba ny sata mifehy ny mpanohitra tamin’ny voalohany. Nanaja izany io lalana io. Nanamafy ny andraikitry ny mpanohitra izay karazana arofanin’ny fitondrana. Tsy misy resaka vondrona politika ao anatin’io. Na nivoaka aza io lalana io dia tsy misy didim-pitondrana fampiharana. Io nefa no mifandray kokoa amin’ny andininy faha 14 voalazan’ny lalampanorenana. Taty aoriana dia vondrona parlemantera no hita anaty lalana mivoaka rehetra. Novaina daholo ny zo fototra ao amin’ny lalampanorenana fa nolazaina hoe nomena ny vondrona parlemantera daholo ny zo fototry ny vondrona politika. Sady fanitsakitsahana lalampanorenana no fanaovana tsinontsinona ny zon’ny mpanohitra io. Nampiany koa moa ilay izy hoe alana ny mpanohitra ivelan’ny antenimiera. Ny andininy faha 5 ao amin’ny savaranonandon’ny lalampanorenana anefa dia mazava tsara fa antony ijoroan’ny lalampanorenana ny fahatsapan’ny vahoaka fa noho ny tsy fanajana ny lalampanorenana no tsy nanitsiana azy fa hanamafisana ny fahefan’ny mpitondra. Tampenam-bava tanteraka ny mpanohitra. Misy fandikana vilana niniana natao koa tamin’io andininy faha 14 io satria voalaza mazava fa aorian’ny fifidianana solombavambahoaka, ny lehiben’ny vondrona politika mpanohitra no manendry ny lehiben’ny mpanohitra. Io no mampiverimberina ny krizy ary efa voalaza ao amin’ny andininy faha 7 hoe tsy azo atao nefa mbola ataonareo ihany, hoy hatrany izy. Hifehezana olona iray ve no hanitsakitsahana lalampanorenana, hoy kosa ny fanontanian’ny Maitre Olala?

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT