Fanim-pitony izao ny fitorian’ny ben’ny tanàna sy ny tariny an’I ramatoa Clemence Raharinirina aty amin’ny polisy ekonomika, izay tsy maintsy handeha any amin’ny fitsarana, hoy ny mpisolovava azy,
Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, tetsy Anosy omaly. Na dia misy aza ny tsy fifankahazoana eo amin’ny olona dia misy fetra ihany, hoy izy, satria im-pito izay. Ity indray mandeha ity indray izany dia hoe nanao hosoka sy nampiasa hosoka satria nisy taratasy nalefa tany amin’ny fanjakana avy any amin’ny filohan’ny mpanolontsain’ny tanana. Avy amin’ny mpanolontsain’ny tanàna miisa 28 ka hoe misy sonia miisa 2 misy tsy marina, hono, nataon’ireo satria nalefa tamin’ny mpandinika izany na nalefa “expertise”. Na natao aza anefa izany dia misy amin’ireo olona ireo manindry fa tsy marina io. Ho avoakanay ny fahamarinana fa ity ben’ny tanàna sy ny namany ity dia tena tsy fitiavana olona mihitsy ary toy ny tsy natera-behivavy ireo fa maninona io vehivavy kely io, izay haveriko foana hoe mba sambatra I Antananarivo manana an’io ramatoa io afaka mba mitondra ny feony manohitra ny zavatra tsy mety sy tsy ara-dalana. Raha lehilahy ianareo, na iza nitory an’i Clémence, dia tongava amin’ny andro sy fotoana hitsarana io raharaha io fa hifanazava eo isika. Fangalaran-tsonia, hono, no nataon’i Clémence tamina taratasy fangatahana fivoriana tsy ara-potoana. Tsy mitombona, resaka adala, olona marary an-doha no mitory, hoy hatrany ity mpisolo vava ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.