Manoloana ny fivoahan’ny vaovao fa efa nametra-pialana ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, dia nanambara omaly ny tenany fa tsaratsara kokoa ny miandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Tsy novaliany, araka izany, ny fanontaniana. Raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na ny Maitre Olala, kosa dia tsy mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na CENI satria raha zohiana ny nataony hatramin’izay dia rehefa misy zavatra tsy mety na mafampana eto amin’ny tany sy ny firenena dia ny filoha lefiny hatrany no asaina miteny. Miafina ny tena filoha. Ity indray mandeha ity, noho ny fahafantaran’ilay filoha lefitra fa tompon’andraikitra hatrany izy dia mbola niteny amin’ny anaran’ny CENI ihany. Mba nitiavana sy nankasitrahan’ny vahoaka azy tamin’ity indray mitoraka ity ny hoe nisy manampahefana sahy nilaza ny marina. Tsy hafa tamin’ny fanambaran’ireo mpitsara teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana hoe nisy tsindry nahazo anay iny nataon’ny filoha lefitry ny CENI iny, hoy hatrany izy. Ny fivoahan’ny marina tahaka ireny no tadiavin’ny vahoaka kanefa dia izay miteny ny marina ihany no enjehina sy haratsiana. Ny mpandainga anefa isaorana sy ampirisihina hatrany, hoy ny fanazavany. Tsy fanafina anefa ny marina fa tsy maintsy hivoaka ary diso lalana ny filohan’ny CENI ary raha tena tomponandraikitra izy dia izy no mametra-pialana fa tsy izy indray no nisolantsolana nitory ny filoha lefitra any amin’ny HCC. Efa nahazo ny fon’ny olona ny filoha lefitry ny CENI taorian’iny fanambarany iny, hoy ity mpahay lalàna ity, ary mitonantonana ny HCC raha mikitika azy eo. Tsy fahefan’ny HCC rahateo moa, hoy hatrany ny tenany, ny miandraikitra io raharaha io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.