Politique

Maitre Olala “Manosika ny olona ho tia ny mpanohitra ny mpitondra”


  • Zoma 04 Desambra 2020

Maro ny zava-niseho teto amin’ny firenena tato ho ato, hoy ny mpahay lalàna,

 

 

Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, tetsy amin’ny fonenany etsy Ankadifotsy omaly. Ny antony izao vao hitenenako dia satria tany repoblikana sy misy demokrasia i Madagasikara. Ilay mpitondra izany no heveriko sy nandrasako mba hiteny manoloana ireny zava-niseho rehetra ireny hoe tsy mety ny ataonareo ry mpitandro filaminana na tompon’andraikitra sahala amin’izao. Voatery miteny aho ankehitriny. Tamin’ny andron’ny HVM dia tratry ny zavatra toa ireny mahazo ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny ny filoha ankehitriny, Andry Rajoelina. Nisy lanonana natao nanafaran’i ben’ny tanànan’i Mahajanga azy tamin’izany hitokana lalana dia nanaovan’ny fitondram-panjakana tamin’izany fomba tsy mety ka nosakanany. Noheverin’ny filoha ankehitriny tamin’izany fa tsy rariny sy hitsiny ary tsy demokratika ny nataon’ny HVM. Ankehitriny anefa dia izany noheveriny fa tsy rariny tamin’izany ihany no averiny amin’ny olona. Sady tsy demokratika no tsy ao anaty lalampanorenana anefa ireny. Averiko ihany fa tsy toetra tahaka izao akory no hitomboan’ny fitiavan’ny olona hafa fa adidy hafa no andrasany aminareo. Manosika ny vahoaka ho tia ny mpifanandrina aminy ny mpitondra, izany hoe ireo manohitra ny fitondrana syny  tsy mitovy hevitra aminy, hoy hatrany ity mpahay lalàna ity, raha ireny no ataony ary manilika ny mpiaradia aminy izy amin’ireny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT