Politique

Maitre Olala “Manomboka tsapan’ny mpitondra fa ilaina ny mpanohitra”


  • Alakamisy 29 Aprily 2021

Manomboka mahatsiaro tena ny mpitondra ankehitriny fa ilaina tokoa ny mpanohitra, hoy ny mpahay lalana, Willy Razafinjatovo na Olala,

 

 

 naneho ny heviny mikasika ny fanapahan-kevitra mandroso mihemotra noraisin’ny fitondram-panjakana momba ny resaka fampiatoana fandaharana politika amin’ny haino aman-jery tamin’ity herinandro ity. Ny mpanohitra no naneho hevitra fa tsy mety ireny, hoy izy. Ilay fihetsika maheno fitsikerana dia miantso ny mpiara-miasa hiaraka hanitsy izany dia efa fahendrena. Raha mpilelaka sy mpanasoaso azy foana no henoin’ny fitondrana dia tsy hisy zavatra hanjary eto fa ny eo ihany no ho eo. Ny lojika dia tsy maintsy ny mpanohitra no mitsikera ny tsy mety ao amin’ny firenena iray satria izay no asany. Ny fanapahan-kevitra toy ireny koa mba fara faharatsiny amin’ny alalana lalana fehizoro na “loi organique” fa tsy “décision interministérielle” toy ireny. Io resaka fanidiana ny sisintany nefa mbola misy fiaramanidina mitondra olona tonga io ihany koa miaraka amin’ny resaka fivezivezen’ny fiara fitateram-bahoaka izay misy omena tombony dia misy tsy avela miasa io koa dia endriky ny fitondrana misy eto daholo. Endriky ny fanavakavahana, tsy fananana hazon-damosina, tsy fisiana fanapahan-kevitra tena matotra. Matahotra ny frantsay ve satria ny filoham-pirenentsika sady Frantsay no Malagasy? Mila manitsy ny fomba fiasany mikasika an’io ny fitondrana, hoy hatrany ny fanazavany, raha tsy mitombona izany. Mbola manana 2 taona sy tapany hanitsiana ny tsy mety ny fitondrana, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT