Tonga taty amin’ny toeram-piasanay ety Ankadifotsy ny fianakavian’andriamatoa Paul Rafanoharana, hoy ny mpisolovava, Willy Razafinjatovo na maitre Olala.
Io olona io moa no heverina fa atidoha mikotrika izao fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena izao, hoy ny fanazavany omaly. Nanaiky ny hiaro azy moa izahay. Tsy mbola niresaka taminy sy nahita ny dosie moa izahay. Ny hany azo lazaina izany izao dia hoe izahay no miaro ofisialy azy. Faninefany miantaona amin’izao aho no niteny fa tsy mino loatra izao raharaha filazana fa misy mikasa hamono izao ny filoham-pirenena. Toy ny misy latsadatsaka, hoy aho tamin’izay fotoana izay, ny fitiavan’ny olona na “côte” an’ny filohan’ny repoblika dia mamoron-javatra toy izao. Tamin’ny tetezamita koa tadidiko tsara fa efa ratsiratsy ny toerana nisy azy tamin’izay fotoana izay dia nisy dokotera avy any Toliara nendrikendrehin’ny tany amin’ny filohan’ny tetezamita. Ny kaomisera Nakany Charlie moa no tompon’andraikitra tamin’izany fotoana izany. Nivezivezy foana tany Ambohitsirohitra io dokotera izay “Chargé de mission” an’ny minisiteran’ny jono tamin’izany. Ny farany moa dia nalefa tany amin’ny tribonaly sy nogadraina natao MD izy. Izaho moa no niaro io olona io ary ny nampalahelo dia afaka izy taorian’ny fitsarana. Komika sy manafintohina ary tsy mampino mihitsy ny niampangana io olona io hoe nilaza fa hanafatra ombiasa avy any Toliara dia handefa varatra avy any hamono ny filohan’ny tetezamita. Isaorana moa ny mpitsara tamin’izany fotoana fa angamba tsy tratrin’ny tsindry bokotra mafy be dia mba nisy fahaleovantena ihany. Milaza ankehitriny ny fitondram-panjakana, zandarimaria, polisy, ny mpanao fanadihadiana sy ny rehetra fa misy mikatsaka izany indray. Hiarahantsika mahita ny vokany izao fa mivaralila ny rehetra. Mena daholo ny tondro mikasika ny fiainam-pirenena. Eo amin’ny lafiny fitsarana dia misy ny atao hoe “présomption d’innocence” izany hoe tsy azo ambara ho meloka ny olona rehefa mbola tsy misy didy mivoaka fa tamin’ity raharaha ity kosa dia “présomption de culpabilité” na ny mifanohitra amin’izay tahaka ny amin’ny raharaha Clemence Raharinirina koa no efa misy. Mbola mandeha ny fanadihadiana dia efa lazaina ho meloka ilay olona. Maninona hatramin’ny sarin’ny Mgr Odon Razanakolona avoaka fa ireo mpitandro filaminan’ny GSIS tsy avoaka? Manangana ady amin’ny Katolika ny fanjakana Malagasy, hoy hatrany izy. ‘
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.