Ho tsaraina amin’ny zavatra tenenintsika sy ataontsika isika, hoy ny mpahay lalana,
Willy Razafinjatovo na Maitre Olala. Isany ny filoham-pirenena. Ho tanterahan’ny filoha tokoa anie ireny kabary nataony ireny sy ilay hoe fitiavan-tanindrazana sy fiarahana ary fifampihainoana satria ny fandraisako azy hatramin’izay dia tsy dia teo loatra izany. Ohatry ny mandeha ila ilay izy. Misy fitiavan-tena sy fitiavan’olom-bitsy miaraka amin’ny tena ary ny mpiray antoko. Tsy maninona izany fa ilay fifampihainoana no tokony ho tanterahana satria ny fahaizana mihaino na ireo tsy mitovy hevitra aza no tena fahaiza-miaina sy mitondra ny tany sy firenena. Ahafahanao manitsy ny tsy mety nataonao sy ny tianao tanterahana izay zavatra izay. Efa niteny foana aho hoe mba maka ianareo mpitondra fotoana ivoriana miaraka amin’ny mpanohitra. Fara faha ratsiny in-droa isam-bolana. Mba henoy ny feony mba tsy hisian’ilay fanoherana sy fanenjehana intsony satria efa nifapidinika sy niara-nanapaka ianareo tamin’izay fotoana izay. Raha tanteraka tsy misy fiatsaram-belatsihy izany dia manome toky aho fa hiova ho amin’ny tsaratsara kokoa ny fitondrana ny tany sy firenena. RN13 moa izao no akaiky ny tena satria hatrany Ihosy io fa tsy Ambovombe. Aleo iaraha-manaiky fa aza afohifohezina amin’ny hoe Ambovombe sy Taolagnaro. Taolagnaro hatrany Ihosy no atao hoe RN13 ka tanteraho sy amboary, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.