Politique

Maitre Hanitra “Izahay tsy maintsy miteny”


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Vao maraina dia efa rakotra mpitandro ny filaminana tao amin’ny Magro Mahajanga ny sabotsy lasa teo.

 

 

Norarana ny hetsika famoriam-bahoaka, saika hataon’ny TIM notarihin’ny Birao politika sy ny olom-boafidy. Izahay tsy hikorontana fa hampita ny zava-marina. Efa nanolo-kevitra fa hofefena ny ferana, saingy mbola narirarira, hoy ireo mpitarika. Ny zavatry ny tena dia azonay ampiasaina satria “propriété privée” ity. Ilay toerana mihitsy no olana tamin’ny manam-pahefana, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Tamin’ny 4ora tolakandro ny fotoana tena nifanomezana tamin’ny vahoaka, saingy tonga ny mpitandro filaminanana ary efa nihantrana. Ny lapihazo sy ny fanamafisam-peo rahateo nasaina nesorina. Antsika kanefa tsy azontsika hanaovana zavatra, hoy ny Depiote Fidèle Razara Pierre. Nihaona tamin’ny prefe tany an-toerana, ka dia tapaka fa hafindra ny toerana. Nafindra amina toeran-kafa mety satria hoe tsy mety ny ao amin’ny Magro satria “symbolique” ho an’ny TIM, ho an’ny RMDM, ho ann’ny vovonana PANORAMA, kanefa tsy nekena, ka hiverenantsika izy amin’ny fotoana mampety azy, hoy I Fidèle Razarapiera. Nambara fa olana indray mantsy ny fialana tao amin’ny Magro handeha amin’ny lalàm-bahoaka hamonjy toeran-kafa. Ny fahalalahana haneho hevitra mihitsy no voasakana. Ny lalàmpanorenana no mametra ny depiote hanao tatitra, ka asa ny depiotenareo aty raha manao izany, hoy izy.

IZAHAY TSY MAINTSY MITENY

 Raha resaka hamehana izany, dia fantatray ny olana eto Mahajanga fa tsisy resaka tosika fameno. Nopotehina ny “gymnase” ahafahantsika manao zavatra. Isika tsy maintsy hiteny ny marina, ary demokrasia no hirahiraina, kanefa tsy misy izany. Miha mahantra, miha sahirana ny vahoaka. Ny fampananterana tsisy tonga, ka isika tsy maintsy miteny ny marina na hotapenam-bava aza. Tsy izay akory no hahatazona ny fitondrana ka diso ianareo, hoy ny Depiote Hanitra. Ny olona rehetra hampanaovina raha manjary. Ny Magro dia anay, raha tsy efa nalainareo sy nosoratanareo aminareo antsokosoko. Mazava ny lalàna, fa rehefa hanao famoriam-bahoaka amina toerana an’olon-tsotra tsy mila fahazoan-dàlana, fa mampahafantatra fotsiny. Isika mitondra anio, fa rahampitso tsy hay, hoy izy nanaitra ny mpitondra. Mahazaka fisiana mpanohitra tena mijoro sy manao ny asany ve ny mpitondra ? Mbola afaka mitono-tena ho mandala ny demokrasia ve ny mpitondra ankehitriny ? hoy ny mpanohitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT