Politique

Maitre Avoko Hilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena


  • Talata 14 Desambra 2010

Araka ny fantatra dia nisafidy ny hangina mihitsy taorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny Maître Avoko Rakotoarijaona, izay anisan’ny tao anatin’ny Komity manohana ny Tsia.

Nisy fotoana mihitsy aza tsy naha teto an-toerana azy. Hisy kosa anefa atsy ho atsy ny hetsika vaovao indray hotanterahana araka ny nambarany. Izy moa dia anisan’ireo tsy mankasitraka ny fomba fitantanana ny firenena amin’izao fotoana, ary mieritreritra ihany koa fa misy fomba fanao mila ovaina amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara. Nanitrikitrika hatrany anefa ity zanaky ny Grand Maître Pierre be ity fa tsy ho tafavoaka mihitsy ny Malagasy raha tsy mitodika amin’Andriamanitra, ary tsy maintsy mihavana.

Mikasika ny lalàmpanorenana indray, dia efa hatrany amin’ny fiandohan’ireo dinika isan-karazany tahaka ny fihaonambem-pirenena no nilaza i Maître Avoko fa mila miainga avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny lalàna fototra hitantanana sy handaminana ny firenena, rehefa tsy izay no atao dia hisavorovoro lava sy tsy hanana fitoniana ny Malagasy, araka ny filazany ihany. Azo atao hoe sady mpandinika ny raharaham-pirenena no mpandray anjara ao amin’ny sehatra politika, na dia tsy mbola tena niditra lalina loatra aza ny maitre Avoko, koa dia miandry izay ho ambarany indray ny rehetra, indrindra fa taorian’ny nametrahan’ny FAT ny Repoblika faha-4 ny sabotsy 11 desambra teo.

Nangonin’i RTT
 
Sary : Maître Avoko Rakotoarijaona, anisan’ireo nampanao Tsia tamin’ny referandaoma ny 17 novambra 2010

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT