Politique

Maire Bonnie Alakamisy Fenoarivo Mivonona hirotsaka ho ben’ny tanàna indray


  • Alakamisy 27 Jona 2019

« Ny Kaominina amin’izao dia manana fahaizan-manao kokoa ny ben’ny tanàna sy ny ekipany ka natao haminavina ho an’ny taranaka”, hoy Andrianaivo Rakotobe Jean Christian na Maire Bonnie eny Alakamisy Fenoarivo,

 

 

  taorian’ny fanambarana nataony fa mbola mivonona hiatrika fifidianana ben’ny tanàna ny tenany. Nomarihiny fa ny tenany no nahita ilay famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina hanaovana tetikasa goavana iarahana amin’ny kaominina Ampitatafika. Tsy zakan’ny kaominina iadidiny irery izany satria nila nanana 1 miliara ariary vao mahazo ilay famatsiam-bola. Ny « compte administrative » nananany anefa 400 tapitrisa ariary. Nifampiresaka ireo ben’ny tanàna roa tonta ka izao nahazo famatsiana izao izay iarahana mitantana amina fiarahamonim-pirenena. Manana fifandraisana amin’ny any ivelany ny Maire Bonnie ka mbola namerina fisaorana ny vondrona Eoropeanina amin’ny fahatokisana. Paikady napetrany rehefa hanao zavatra dia mijery mpamatsy vola ivelany sy mpandraharaha anatiny ihany koa. Politika napetraky ny kaominina rahateo ny fahaleovantena ara-bola. Ho azy dia tsena no hitany fampidiram-bola mivantana ka nananagana toerana azo hivarotana 20 m ny sakany ary 32 m ny halavany mahazaka mpivarotra 160 izy. Fito volana no nanaovana ny tsena ka nahazoana tetikasa teo anivon’ny famatsiam-bola avy amin’ny masoivoho alemana. Hiezaka ny kaominina haneho ny fampandrosoana avy aty ifotony, indrindra handrindra ny vinan’ny mpitondra foibe amin’ny vinan’ny eny ifotony. Manantena ihany koa ity ben’ny tanàna avy amin’ny antoko TIM ity fa hojerena koa ny drafitra fanajariana. Efa manomboka ho tanàn-dehibe Alakamisy Fenoarivo raha ny nambarany ka mila harindra ny fomba fiasa.

Marigny A. sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT