Dia tena mahavaka ny saina mihitsy ny fihetsiky ny mpanao politika Malagasy sy ny fomba fisainany fa tsy olana aminy mihitsy ny mamadika tsotra izao ny mainty ho fotsy. Toraka voninkazo sy fandokafana tsy misy ohatr’izany no nataon’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita an’i Andry Rajoelina teny Iavoloha, nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona 2011 ny zoma lasa teo. Toa voafafan’ilay toerana azon-dRaharinaivo eny Tsimbazaza avokoa ny fanenjehana sy fanagadrana nataon’ny FAT azy, adinony avokoa ny baikom-pitolomana notononiny teny Ambohijatovo sy teny amin’ny Magro, izany hoe Marc Ravalomanana izany moa aminy dia efa tantara sisa. Manaiky tanteraka ary tsy misy fepetra sy adihevitra ny fitondran’i Andry Rajoelina ity mpanao politika ambaran’ny eny amin’ny Magro ho misandoka ho filoha mitarika ny antoko Tiako i Madagasikara ity ary miaro tanteraka ny rafitra rehetra misy amin’izao fotoana, ary maneso mihitsy aza ireo mpiara-mitolona aminy teo aloha.
Ho an’ireo zanak’i Dada tena mafana fo dia famadihana tsotra izao tahaka ny nataon’i Jacques Sylla no nataon-dRaharinaivo ary nisy mihitsy aza no nilaza fa sao dia efa tao anatin’ny paik’ady ary ny fanagadrana azy, fa resaka fotsiny ny ambiny. Tsaroana tokoa mantsy fa nisy fotoana nitolo-batana teny amin’ny zandary ity mpanao politika ity, noho ireny raharaha baomba sy korontana ary fahasimban-javatra teto amin’ny renivohitra ireny. Taty aoriana kely avy eo dia nisintona ny fitoriany ilay orinasa amin’ny sehatry ny dokambarotra, izay akaikin’ny filohan’ny FAT, ary dia lasa nadio tsy nisy pentina intsony ingahy Raharinaivo. Sady afaka niverina tamin’ny sehatra politika tsara no tsy mila famotsoran-keloka.
Maro, araka izany, no sosotra sy tezitra mihitsy amin’ny fihetsiky ny mpanao politika tahaka izao, satria toa tena tsy misy mihitsy ny resaka hoe soatoavina sy fanajana ny teny nomena ary fiarovana ny foto-kevitra nijoroana fa dia rehefa mahazo toerana sy vola be dia mangina sy mivadika tanteraka. Na ahoana na ahoana filaza dia mitombina ny filazana fa tena nanalefaka ny tolon’ny ankolafy telo, indrindra fa ny ankolafy Ravalomanana ny fivadihan-dRaharinaivo sy ny ekipany ary anisan’ny antony lehibe tsy nampivoatra mihitsy ny fanaovana politika teto, politikan’ny seza no natao fa tsy politikan’ny hevitra, hany ka izay manam-bola sy mahatolotolotra ary manana ny hery no heverina hatrany fa manana ny hevitra tsara sy mety amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy tokony hahagaga raha nihemotra foana isika fa tsy nety lasa lavitra tamin’ny resaka fampandrosoana, satria ny mpitarika sy ny mpanapaka mihitsy no tsy vonona ho amin’ny fijerena ny tombontsoa iombonana fa dia mandany ron-doha amin’ny fiarovana ny tombontsoa manokany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.