Politique

Mahery Lanto Manandafy “Tsy te ho eo amin’ny toeranareo mpitondra isany aho”


  • Alatsinainy 04 Jolay 2022

Tena tsy te ho eo amin'ny toeranareo aho ry mpitondra fanjakana isany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Mahery Lanto Manandafy.

Soa ihany fa naka sisiny lavitra be, hoy izy. Loza manambana avy any avaratra. “Carburant = hyperinflation”. Avy avaratra atsinanana, delestazy, mety ho “black out” mihitsy vokatry ny fanagiazana na “requisition” rehefa aholanao ny entan'olona dia tsy mamatsy intsony izy. 1000 miliara Ariary be izao. Atsinanana, FR na “fonds routier”. Tsy hita ny 547 miliara Ariary. Tsy voaloa ny volan'ny mpandraharaha na “entrepreneurs”. Tsy misy sahy maka tsenam-barom-panjakana na “marchés publics” intsony. Atsimo atsinanana, sampona na “scandale” tao amin’ny “cour des comptes”, tsy hita ny 1881 miliara. Atsimo, CNaPS, potika ny rafitra momba ny fisotroan-dronono na “système des retraites” sy ny latsakemboka nataon'ny vahoaka ny sasany mandritry ny 40 taona. Atsimo andrefana, werawera, tsy misy hasiny intsony ilay tenin'ny mpitondra mivelona amin'ny makety. Andrefana, miady anatiny ao tsy ampy ny “gateau”. Ireo “base” nanohana toa mipatitaka fa tsy noraharahiana rehefa lany. Ny famaritam-pahefana koa toa mifangaro voraka tsy hay intsony ny asan'ny gouvernora, prefe, ben’ny tanana, depiote, minisitra fa dia mifanitsa-kitro ao. Avaratra andrefana, volamena, minisitra am-perinasa naverina amin’ny toerany tsotra izao no ahiahiana nangalatra volamena 36 kg. Eo afovoany ny olona tokony hiaro ny seza fiandriananareo, asainareo mandroaka maloto eo amin'ny tetezan'ny Bekiraro. Raha mba tsy nanaotao foana izao ianareo dia mba nanana hery niatrehana ny “crise conjoncturelle” na krizy nateraky ny ady eo amin’i Okrainina sy Rosia. Asa aloha raha hisy fahagagana fa kely ny finoako, hoy hatrany i Malama.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT