Politique

Mahery Lanto Manandafy “Tsy izao fandrirarirana izao no hahafay ahy”


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Fanamavoana ny rafitry ny zandarimariam-pirenena sy fitarihana ny olona hankahala azy tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra navoaka tao amin’ny facebbook no antony nitorian’ny zandarimariam-pirenena

 an’i Mahery Lanto Manandafy ka nanaovana fanadihadiana azy teny amin’ny sampana heloka be vava Fiadanana omaly.Tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no nigadona teny ny lehilahy sy ny mpisolo vava ary ireo mpanotrona azy io omaly io, naharitra 1 ora sy 30 minitra ny fakana am-bavany teny Fiadanana avy eo dia nentina indray teny amin’ny Toby Ratsimandrava i Malama. Nisy araka ny fantatra ny resadresaka nifanaovany tamin’ireo tompon’andraikitry ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny Toby Ratsimandrava .Fanontaniana tsotra no napetraka tao amin’ny facebook, hoy i Mahery Lanto Manandafy hoe : iza moa ny infocommseg, ny manontany anaran’olona ve midika ho ompa sy fanivaivana rafitra, hoy izy. Izaho tsy nanamavo ny zandary izany ary tsy nitarika ny olona hankahala zandary tao amin’ny facebook izany mihitsy hoy Mahery Lanto Manandafy raha nanontanian’ny mpanao fanadihadiana teny Fiadanana izy araka ny tatitra fohy nataon’ny Me Maka mpisolo vava azy. Nahitsy ihany koa i Malama omaly mialoha ny niatrehany ny mpanadihady teny Fiadanana ary nilaza fa “ diso izay mieritreritra fa izao fandrirarirana izao no hahafay ahy”. Afaka mifandamina isika rehefa hifandamina ary afaka mifanakorontana ihany koa hoy izy. Raha ny zava-nitranga omaly sy ny firesaky ny voakasika dia tahaka ny hoe tsy hitohy intsony ny raharaha, izany hoe tsy hiakatra eo anivon’ny fampanoavana.Ny ampitso ihany anefa no hilaza izay tena marina, fa hatreto aloha izany dia manizingizina I Mahery Lanto Manandafy fa tsy izao antsoina sy atao fanadihhadiana avia avanana izao mihitsy no hampangiana na hampipetraka azy fa rehefa misy ny tsy mety, misy ny tsy rariny dia tsy maintsy resahana.
RTT
.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Eliana Bezaza
  • Alakamisy 04 Jona 2026

"Miverina amin’ny fototra niorenany ny Repoblika"

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT