Politique

Mahery Lanto Manandafy “Rajoelina tsy nahavita 10 metatra indray no mirehareha”


  • Talata 05 Oktobra 2021

Ny Filoha teo aloha Amiraly Ratsiraka izay efa nodimandry dia nanao izay vitany tany Atsimo, fa ilay izy moa izany misy manodina.

 Tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana nisy nangalatra ny “plaque solaire” dia tsy mandeha ilay fotodrafitrasa,… Rajoelina izay mbola tsy nanao akory ny fatson-drano kely 10 metatra tany, dia mirehareha izy hoe: izy, hono, no nahavita. Mba ovay ilay fomba fijery, ovay ilay fomba fiteny fa tsy adala akory ireo vahoaka ireo”, hoy ny fanehoan-kevitr’I Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny fahitalavitra Real TV Madagascar omaly. Efa nanao fanamarihana sy nanitsy io fireharehana diso toerana io ny Filoha Amiraly Didier Ratsiraka fahavelony. “Ny zavatra tena tsy tantiko kosa dia ity: ohatran’ny atao izay tsy hahamarin-toerana ny tantara. Ny tantara anefa tsy mba fanadino fa fakana lesona, araka ny tenin’I Révérand Pierre Callet, kanefa ohatran’ ny disoina ny tantara. Misy ohatran’ny miteny any amin’ny Filoha, ny mpitondra any hoe hanao fantsona isika, fantsona lehibe hitondra rano, tsy mbola nisy nanao an’izany. Azafady Tompoko o! miala tsiny o! miala salohy fito o! fa efa nanao izany izahay, 135 km avy aty Menarandra makany Beloha, arafesina fotsiny ilay zavatra fa tsy nisy nikarakara…. Nanao “panneau solaire” izahay, ary izaho mihitsy, vola azo tamin’ireo nanao hosoka tamin’ny ladoany. Matetika ny prézidà sasany dia mamely ireo mpitondra teo aloha”, hoy izy tamin’izany. Tsy miraharaha an’izany ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, te hikosoka ny tantara sy manambany hatrany ireo mpitondra teo aloha. Sahiny ny miteny fa tsy nanao ny hafa kanefa izy tenany izao no nitokana ny “pipeline” nataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny jona 2019. Tena jamba sa minia mikipy?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT