Nelohin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany (TPI) ao Toamasina higadra an-tranomaizina 12 volana,
arahina didy fisamborana avy hatrany i Mahery Lanto Manandafy na MLM. Tohin’ny raharaha nitorian’ny senatera Benessy Harison Sebastien azy noho ilay famoahana vaovao nisy fahadisoana ny 01 jona 2020, nilazana fa nodimandry io loholona io kanefa ny Rainy no maty. Efa nanao fialan-tsiny i Mahery Lanto Manandafy tamin’izany. Efa nadoboky ny fampanoavana am-ponja vonjimaika izy ny 19 jona, ary nahazo fahafahana vonjimaika ny 22 jona. Ny zavatra tena mahagaga, dia nisy fitsarana momba ahy teo, tsy nampilazaina akory aho, hoy Mahery Lanto Manandafy. Tamin’ny 15 oktobra dia nisy fiantsoana roa hoe: fitsarana eto Antananarivo sy any Toamasina. Nanamafy noho izany i Mahery Lanto Manandafy, fa tsy nisy fanalam-baraka. Voalohany Benessy ilay olona maty, ary faharoa dokotera ihany koa. Fantatra fa misy ambadika politika, misy te hamotika ahy aho satria izaho miteny zavatra loatra. Miteny amin’ny vahoaka hoe tokony tohizana. Mbola tsy miteny aho hoe andao haongana, fa ny teneniko dia misy zavatra mila ahitsy ao. Tsy lazainao akory ny mpiaro, tsy resahina ny henjehina, ka aiza ny zon’ny fiarovana, hoy i Mahery Lanto Manandafy. Voalaza etsy ankilany fa vantany vao voarain’ny fampanoavana ny fitoriana, dia mbola ny « ministère public » no Lehiben’ny fanenjehana, ka na tsy tonga aza ny mpitory tsy misakana ny « procès » tsy andeha, fa ny toriana no mila miaro ny tenany. Misy alahelon’ilay Procureur Thierry amiko ve sa misy alahelon’i Lalatiana amiko fa izay no tiako ho fantatra, hoy hatrany i MLM. Asaivo mijoro eo izy hanazava izany amiko? Nilaza ho nanao fanoherana ny didy izy omaly. Ny zavatra tiako tenenina dia ny hoe izao ianareo no milalao, fa mbola tsy fantatrareo ny ampitso, hoy Mahery Lanto Manandafy.
TEZITRA AMINY NY MPITSARA ?
Ny 4 desambra i Mahery Lanto Mandafy, dia somary niteny mafimafy fa “tsy tsindritsindriana sy tsy ampitahorina. Vonoin’ialahy ho faty aho ataoko lafika ny havan’ialahy 10 akaiky indrindra. Gadrain’ialahy aho sokiriko tsiraidray ny “magistrats” sy ny “Procureur” nanagadra ahy, dia sokiriko koa ny an’ialahy, ary tsy maintsy mandoa 10 avo heny. Hain’ialahy ihany moa ny lazanay fa mazava ho azy dorako daholo ny tranon’ialahy. Izaho akory tsy Rolly na Onitiana na Mbola fa dia mifampitady eto isika. Izay ilay revy miainga fa tsakotsakoy ao aloha », hoy izy tamin’izany, izay mety tsy mahafaly ny mpitsara. Manampy trotraka izany ihany koa ny mety ho toromarika ara-politika amin’ny fandetehana azy. Toa tsy taitra firy anefa I Mahery Lanto Manandafy, ary mahatoky tena sy heverina fa misy mpiaro ambony ao anaty fanjakana ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.