Politique

Mahery Lanto Manandafy Nankasitraka ny fahasahian’ny Depiote Brunelle


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Tao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook no nahitana ny sary naneho fihaonana teo amin’ny Depiote Jean Brunelle Razafitsiandraofa sy Mahery Lanto Mandafy, izay ity farany no namoaka azy.

 

 

 Tena nahafinaritra ahy ny dingana (demarche) nataon’i Depiote Jean Brunelle Razafintsiandraofa. Tsy nisy « fidèle » sy « intègre » ohatr'azy tamin'ny andron'ny MAPAR fa rehefa misy kosa ny tsy mety dia nijoro izy, hoy hatrany i Mahery Lanto Manandafy. Eo aloha ny fanimbazimbana ny razana, fikasihana fasana etsy sy eroa, fanovana ny vakoka fampisaraham-bazana ireo ampanjaka, toy ny nataon'i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika, fanovana sy fanitsakitsahana ny tantara sy ny hasina. Eo koa ny fitantanana ny Firenena, manana adidy eo anatrehan'ny vahoaka izy amin'ny maha solombavam-bahoaka azy. Tsy azo handaingana ny vahoaka fa tsy hoe hangalana sary fotsiny hanaovana «werawera» amin'ny fahitalavitra, dia avela eo avy eo rehefa vita ny ilaiko azy, hoy hatrany ny fitantarana. Mila fitantanana mirondra ny Fanjakana, drafitra maty paika, izay no ilaina ny PGE (Politika Ankampoben’ny Fanjakana) fa tsy hoe hanaovana « caprice présidentielle » ny volam-panjakana dia tsy misy mazava ny hampiasaina azy avy eo fa ny vatofototra no mameno tanana. Ny asa very ny sandam-bola mitotongana. Tsy ny Depiote Brunelle irery no sahirana eo anatrehan'ny vahoakany omena gony 500 dia « lampe solaire » 20 dia efa hoe nahazo be tamin'ny.fanjakana ny distrikan’Ikongo. Maro ianareo depiote ireo izay mamaky eto no tratran'izany, mandalo manao velirano ny Filoha dia eo ianareo no hiadivan'ny Vahoaka eo satria ianareo no any am-potony. Hanompo Tanindrazana no nilatsahana solombavambahoaka fa tsy atao sorona na lafika sanatria. Manana adidy ianareo hanao “interpellation » fa misosa any anaty lavaka ilay Firenena, aoka tsy ny vahoaka no hitroatra ka hitarika krizy izay hamotika ny firenena indray, hoy ny antso avon’i Mahery Lanto Manandafy. Hisy ve ny dingana ataon’ny solombavambahoaka ato ho ato ? Manao ahoana ny fitokisan’ny fahefana mpanao lalàna ny Filoha ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT