Politique

Mahery Lanto Manandafy Hatolotra ny fampanoavana anio


  • Alatsinainy 31 Janoary 2022

Naharitra ora telo latsaka fahefany ny fakan’ny polisy misahana ny heloka an’habaka na ny « Cybercriminalité » an’i Mahery Lanto Manandafy na i Malama ny marainan’ny sabotsy 29 janoary lasa teo.

Notorian’ny Fanjakana ho nanely vaovao tsy marina nolazaina fa manakorontana saim-bahoaka tamin’ilay fanontaniana napetrany hoe : ny “Tapaka ihany koa hono ny pont bailey vao namboarina tao Moramanga?” ny zoma 28 janoary 2022. Ny Tonia mpampanoa lalàna ambony no mampiantso, izay midika fa ny fitondram-panjakana no mitory. Notanan’ny polisy 48ora avy hatrany, nanomboka ny sabotsy lasa teo, ary hiakatra fampanoavana anio. Nialohan’ny fiatrehany famotorana ny sabotsy, dia nanitrikitritrika i Mahery Lanto Manandafy fa fanontaniana no napetrany. Fanontaniana no napetraka dia iny no ilàna vaniny, tsy maninona, ary raha iny no hitanareo nananona, dia mbola nampiako ihany koa ary izy tao hoe: faniratsirana ny Filoham-pirenena, ka izay hanaovanareo azy na asa an-terivozona 10 taona na 100 taona tsy raharahako fa tsy hanaiky mihitsy aho hoe ataonareo an’izao i Madagasikara”, hoy i Malama. “Mila mampangina ny mpanohitra izy izany matoa manao an’io, fa izaho tsy hangina, kan a mangina aza aho fa mety ho any am-ponja dia aza matahotra ianareo fa izay no atao hoe: “silence assourdissant”. Manomboka eto, ady ny antsika, ary izao ny zavatra teneniko anareo hoe: izaho dia tsy hifona ary izaho dia tsy hanaiky izany zavatra izany hoe: alainareo ny volam-panjakana, alainareo ny volan’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale), alainareo ny volan’ny FER (Fonds Routier), lanilanianareo fahatany, alainareo ny volan’ny BNGRC (Bureau National pour la Gestion des Risques et Catastrophes),… lany izy izao tsy voahefanareo ny volan’ny mpandraharaha, ny mpandraharaha ara-tsolika,… Potehinareo i Madagasikara ka izaho tsy hanaiky an’izany fa hifampitady eto isika, na ahafatesako aza ity zavatra ity tsy miraharaha izany aho”, hoy i Mahery Lanto Manandafy. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa namoaka fehezanteny tao amin’ny kaonty facebook miantefa amin’ny Filoha Rajoelina i Malama hoe: ““Izaho lesy tsy matahotra an’ialahy na Prezidan’ny Repoblika aza ialahy an”, “Nanampy an’ialahy faran’izay heriko aho, ary hamotika an’ialahy faran’izay heriko ihany koa”,... Asa hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaha? Halefa hanara-dia an-dry Berija Ravelomanantsoa sy ry Harry Laurent Rahajason Minisitra teo aloha ve i Mahery Lanto Manandafy sa ampihorohoroana mba hangina sy hampitahorana ireo rehetra sahy manakiana sy mitsikera Fitondrana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Eliana Bezaza
  • Alakamisy 04 Jona 2026

"Miverina amin’ny fototra niorenany ny Repoblika"

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT