Politique

Mahana amin’ny nataony Rajoelina Matahotra ny hirodana sahady


  • Zoma 24 Mey 2019

Mazava ny fihetsik’i Andry Rajoelina mitety faritra io fa mila mahazo ny maro an’isa ao Tsimbazaza izy.

 

 

 Ny maro an’isa tena mafy dia depiote 109/151 depiote amin’izay misosa ny fanatanterahana ny IEM sy ny programany. Efa io hokitihina io ny antenimierandoholona hahena ho 18 raha 63 ny mpikambana. Ireo olon’ny HVM no tsy maintsy ho lasibatra amin’io. Tsy maintsy tafapetraka amin’ity taona ity, hoy Rajoelina ny governoram-paritra, izay hotendrena. Mazava ho azy fa ny olony no hotendreny ao satria ireo no solontenany voalohany any amin’ny faritra. Ny any anaty minisitera, tsy maintsy misy fanendrena olona isan-kerinandro. Ny olana dia lasa mihena ny fotoana iasana, fa kajikajy politika no handaniana ron-doha. Miteraka tsy fifankahazoana eo amin’ny samy MAPAR ihany koa ilay izy satria nisy nanantena hahazo toerana kanefa lasa eny amin’ny sisin-tosy. Fantany tsara ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana filoha, fantany tsara ny resabe momba ny fikirakirana ny voka-pifidianana, fantany tsara ny tsy fahatokisan’ny olona intsony ny CENI sy ny fahasosoran’ny olona amin’ny HCC. Tsy mahatoky tena sy mihorohoro tamin’ny kisarisarim-pandresena ny tenany. Fantany tsara ny mety ho fivadiky ny tantara tampoka eny Tsimbazaza eny satria ny olony teny no anisan’ny nikaroka ny fomba rehetra handrodanana an-dRajaonarimampianina. Hafa ny tamin’ny 2009 sy amin’izao 2019 izao. Tsy fahefana tsy refesi-mandidy intsony ny eo am-pelatanan-dRajoelina ary na ireo ekipany 10 taona lasa aza efa maro no niala tao anatin’ny lamasinina TGV ary maro ireo nitantara tsiambaratelo. Matahotra mafy ho tratry ny fandrodanana eny amin’ny antenimieram-pirenena vaovao hiasa manaraka eo Rajoelina raha toa ka maro an’isa ao ny sokajiana ho mpanohitra (TIM sy tsy miankina mety olon’ny HVM) satria maro be sahady ny fandikan-dalàna nataon’ity fitondranna ity tato anatin’ny 4 volana. Maro ny olona efa manangona dosie sy porofo momba izany fa dia miandry fotsiny aloha. Tsy faly amin’ny afitsoky ny filoha sy ny kandidan’ny IRD mirehareha ho kandidam-panjakana sy nahazo tsodranon’ny filoha ka minia mandika lalàna izay mahafaly ny rehetra ivelan’izy ireo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT