Politique

Mahana amin’ny natao Izay mihetsika lazaina fa hanongana avokoa


  • Zoma 22 Jolay 2022

Vao mihetsika sy mamory olona ny mpanohitra, dia tondroina ho miketrika hanongam-panjakana hatrany. Afaka mamory olona araka izay tiany na manao filaharam-be eny an-dalambe mihitsy ny antokon’ny mpitondra tahaka ny

natao tany Antsiranana, Tsiroanomandidy, Mandoto,… fa tonga dia vinaniana hanongam-panjakana kosa ny mpanohitra raha vao manao hetsika fameloma-maso ny antokony na “redynamisation” tahaka ny nataon’ny TIM tany Antsirabe. “Olona fantatra fa hanongana anao ve dia andeha homena alalana”, hoy ny tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny antoko TGV. Raikitra indray io ny hetsiky ny mpanohitra ao anatin’ny RMDM hifamotoana etsy amin’ny Kianjan’ny Finoana na ny Magro Behoririka ho an’ny rahampitso, izay maneho hoe: “Mijaly ny vahoaka, Sahia, Mijoroa hanavotra ny firenena”. May volon-tratra ny Fanjakana, manahy zavatra hafa, ary efa may ny endim-boanjon’ny etamazaoro politikan’ny mpitondra satria tombanana hahavory vahoaka maro ny mpanohitra noho ny zava-misy, tsy fahombiazam-pitantanana, olana sy krizy ara-tsosialy tsy voavaha,… Mandeha hatramin’ny fivoizana sy fandotoana amin’ny tambajotran-tserasera amin’ny hoe: hidina eny an-kianjan’ny 13 may ny mpanohitra. Ombieny ombieny anefa ny fanambaran’ny ankilany fa tsy mihevitra, ary tsy hanao fanonganam-panjakana. Manomboka mahery sy manindrona ny valin-kafatry ny mpanohitra, tahaka ny an’Atoa Rivo Rakotovao, izay Filoham-panjakana teo aloha, sady mpandrindra nasionalin’ny HVM izay naneho, fa fakan-kevitra sy kabary politika no atao ao amin'ny magro behoririka fa tsy fanonganam-panjakana, fa ny sasany efa zatra an'ilay toetra no mahana amin'ny nataony ka mieritreritra fa rehefa misy hetsika ho atao dia hoe hanongana. Toe-tsaina efa mirefarefa amin'ny tany ny toy izany fa aleo mba hisintona ny firenena miakatrakatra kokoa eo anoloan'ny adi-hevitra hitantanana ny firenentsika, hoy io mpanao politika io.
TSY TOKONY HOMENA FAHEFANA INTSONY
Hatreto, na tsy tonga any amin’ny resaka kandida iraisan’ny mpanohitra aza fa dinika politika hametrahana lamina sy fitsipi-dalao demokratika, miray feo ny mpanohitra fa tsy mety intsony izao. Fahapotehana no nolovaina tamin’ny Fanjakana Rajoelina, hatramin’izay ka hatramin’izao. Isak’izay mandray fahefana, mihemotra sy latsaka an-davaka foana ny firenena. Miharihary ny tsy fahaiza-mitantana firenena, krizy ara-toekarena, olana ara-tsosialy misasavovona,… Miray feo ny rehefa fa mila halavirina toy ny fasam-bao ny fiverenan’ny volomboasary iray eo amin’ny fitondrana, na iza na ho iza handimby azy eo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT