Politique

Mahajanga Soloy PDS ny Ben’ny tanŕna !


  • Zoma 07 Janoary 2011

Miitatra any amin’ny fitakiana ny hanoloana PDS ny Ben’ny tanŕna amperin’asa ilay fitakiana karama nataon’ny mpiasa ao amin’ny Kaominina Mahajanga ankehitriny. “Vonjeo, soloy PDs ny Maire, fa efa ho faty izahay”.

Izany no santionan’ny sorabaventy mirenty eo ambaravaran’ny Kaominina ankehitriny. Midika io fa mbola mitohy ny grevin’ny mpiasa ao amin’ity Kaominina renivohitr’i Boeny ity. Ny tsy fantatra kosa dia ny hoe faobe sa amin’ny ampahany ny mpiasa mitokona satria misy asa mandeha ihany ao amin’ny Kaominina na mihisatra aza izany. Ny fantatra kosa dia nisy taratasy nalefan’ny mpiasa any amin’ny ministry ny fanapariaham-pahefana sy fanajariana ny tany, ny 28 desambra 2010, mangataka ny hanendrena PDS hitantana ny tanànan’i Mahajanga io.

Nandefasan’izy ireo dika mitovy amin’izany koa ny ministry ny Atitany. Antony enina no tanisan’izy ireo ao anatin’ny taratasy fangatahana hanendrena PDS ity, ka ilazan’izy ireo fa “tsy mety intsony ny mbola hanohizan’ny Ben’ny tanàna amperin’asa izao ny fitantanana gaboraraka ny tanànan’i Mahajanga”. Toy izany koa ny filazan’izy ireo fa “tsy mandeha arak’izay izy intsony ny fitantanana, ny fitondrana, ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa : toy ny tsy fanomezana ny karaman’ny mpiasa izay efa ho efatra volana no tsy voaloa (septambra, oktobra, novambra ary desambra)”. Ambaran’ireto mpiasa mitokona ireto amin’ny taratasy nalefany any amin’ny ministera koa ny hoe : “fivarotana ny fananan’ny Kaominina izay tsy nandalo fankatoavan’ny mpanolontsaina”, toy izany koa ny loton’ny tanàna sy ny fako mivangongo etsy sy eroa. Olona efa mahafantatra tsara ny fiainan’ny Kaominna ary manana vahaolana haingana sy maharitra moa no heverin’izy ireo fa tokony hapetraka PDS fa tsy olona vao hitsapatsapa ka zary ho lasa vesatra indray.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT