Nitsidika an’i Mahajanga ny Rodoben'ny Mpanangana tarihan’i Marc Ravalomanana nanomboka omaly alakamisy. Fotoana iray hanaovana angaredona hahatrarana ny tanjona iombonana izy ity. Nanolotra ireo kandidan’ny TIM any amin'ity faritany ity ny filoha Marc Ravalomanana. Notsindriany manokana fa zava-dehibe ny kandida atolotry ny antoko satria dia misy ny fitsipiky sy ny toromarika avy amin'ny mpitarika ny antoko ho an'ireo mpikambana ao aminy, ary ankatoavina sy hajaina izany.
Mbola hitohy anio any Belobaka ny dia. Omaly ihany koa moa no nivoaka ny gazety Rodoben'ny Mpanangana izay misy hafatra avy amin'ny filoha Ravalomanana momba ny fanaovana politika eto Madagasikara; ahitana ny mombamomba ireo kandidan’ny TIM rehetra maneran'ny nosy ihany koa ity gazety ity.Nanamafy i Marc Ravalomanana omaly fa tena mila manana etika ny mpanao politika ary ny vahoaka tsy tokony hanaiky mpanao politika tanalahy, izany hoe ireo mivadibadika loko politika sy firehana, na ireo mpanao sakaizan’ny mpandresy.Rehefa TIM ianao dia TIM raha ao amina antoko hafa dia efa izay izany; aoka hajaina io soatoavina amin’ny fanaovana politika io hoy i Dada fa ireo mpamadika palitao no anisan’ny mampiana-dratsy ny vahoaka sy manimba ny fiainam-pirenena.Hita ho tonga masiaka ary tena miverina tanteraka eo anivon’ny tontolo politika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary manao ny ainy tsy ho zavatra mba hampahafantarana ny Malagasy ny fanaovana politika tena matihanina.Etsy ankilan’izay hita taratra eny amin’ny endrik’ireo olona mitsena sy mihaona ary miresaka mvantana aminy fa tena mamelona ny afom-panantenan’ny vahoaka i Dada ny amin’ny hirosoana amina fiainana tsara sy mendrika kokoa ho an’ny Malagasy.Aoka tsy ho kivy fa hanam-pinoana foana isika hoy i Marc Ravalomanana. Maro be ny faritra notsidihako ary tena tsapako tsar any fahorian’ny vahoaka..tsy hipetra-potsiny aho fa tsy maintsy mikaroka vahaolana amin’izany. Hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.