Politique

Magro : Miakatra ny feo Hifankahita eto


  • Alakamisy 18 Oktobra 2012

“Miomana isika, izahay koa sahy”, hoy Rakotomanjato Rodin tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly eo anatrehan’ny fihazakazaky ny raharaham-pirenena tato ho ato, indrindra manoloana ny fahataperan’ny 60 andro nomen’ny SADC amin’ity anio ity, hanaovana tombana momba ny fampodiana an-dRavalomanana.

 Ho hitantsika eo izay ho be fitetika ka tsy hampody an-dRavalomanana, hoy ihany izy. Aza manantena sori-dalana hipetraka fa ravao io dia aleo hifankahita eto, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity. Tetsy andanin’izany dia notsikerainy mafy ny zavatra nataon’i Andry Rajoelina tany amin’ny Faritra Itasy ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavany dia ireo biraom-pokontany “pré-fabriqué”, efa vonona sy saika nozaraina tamin’ny fitondrana Ravalomanana no nozarain’i Andry Rajoelina hanaovana sekoly any an-toerana.

Ankoatra izay, vao avy nampiditra zana-trondro dia harato mpandroaka zana-trondro no nomena ireo mpanjono. Anisan’ny nanenjehana ny filoha Ravalomanana ihany koa, araka ny fanazavan’ny CST Rakotomanjato Rodin ihany ny filazana fa nampifangaro ny fitondram-piangonana sy ny fitondram-panjakana. Mibaribary anefa izao ny ataon-dRajoelina amin’ny katolika. Manoloana izany rehetra izany moa dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa ny hadalana ataon-dry zalahy FAT dia lasa fahombiazana ho an’ny filoha Ravalomanana. Nanentana ireo mpiara-dia aminy ity filoha lefitry ny kongresy ity mba tsy ho taitra fa hanam-pinoana hatrany. Ho avy tsy ho ela ny filoha Marc Ravalomanana ary tsy maintsy tonga mialoha ny fotoana tokony hilatsahany izy, hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Tsy handefitra intsony isika fa miandry toromarika avy amin’ny filoha sisa. Fantatra moa fa hiditra mivantana an-tariby ao amin’ny kianjan’ny Magro i Marc Ravalomanana ato ho ato.

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT