Miomana fatratra amin’ny fitsenana an’i Dada ankehitriny ny Tiako i Madagasikara any Mahajanga.
Efa resy lahatra ny amin’ny tsy maintsy hiverenany an-tanindrazana izy ireo ary mbola nohamafisin’ny filoha Marc Ravalomanana tany Antsirabe ny faran’ny herinandro teo tamin’ny fitafana nivantana an-telefaonina fa tsy maintsy hiverina eto Madagasikara izy hanavotra ity firenena ity. Mihevitra ny hanao rodobe aty Antananarivo amin’io fitsenana an’i Dada io ry zareo avy any Mahajanga ka ny sabotsy izao dia hisy hetsika lehibe “Brochettes Party” hotontosaina ao amin’ny kianja Magro any an-toerana hitadiavam-bola hanatevenana ny hoenti-manana amin’izany fiakarana aty Iarivo izany nefa tsy adinoina koa ny hafatrafatra politika mahazatra.
Tsy ny Tiako i Madagasikara ao Mahajanga irery ihany no hanotrona ity lanonana ity fa ny vahoakan’i Mahajanga tsivakivolo mihitsy, hoy ny CT Randrianandrasana Patrice mpitarika ny hetsika, ary nandefasanay fanasana ihany koa ny Tiako i Madagasikara rehetra mbola tafajanona eto Antananarivo sy ireo fikambanana zanak’i Dada isan-tokony ary ny vahoakan’ny Magro Behoririka iray manontolo, ka anisan’ny efa namaly ny hanotrona ny lanonana any Mahajanga ny FIDEMPRO sy ny solontenan’ny Birao Foiben’i Tiako i Madagasikara eto Antananarivo. Aminay any Mahajanga, hoy ny CT Patrice, dia tsy misy afa-tsy ny filoha Marc Ravalomanana ihany no atokisanay fa ho afaka hanarina an’ity Madagasikara ity amin’izao krizy lalina mahazo azy izao ka miandry fatratra ny fiverenany izahay, hanolotra azy hofidiana ho filohan’ny Repoblika indray, ary handany azy amin’ny “1er tour” de vita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.