Politique

Magro Behoririka Valin-kafatra ho an’i Hery Rajaonarimampianina


  • Talata 25 Martsa 2014

Nanao valin-kafatra avy hatrany amin’izay zava-boalazan’ny filoha Rajaonarimampianina teo am-pahatongavana teny Ivato omaly vao mangiran-dratsy ireo mpitaritolon’i Magro Behoririka. Mbola dia saravaranonando iny vitanao iny Atoa filoha, hoy i Zafilahy Stanislas fa tsy mbola nisy fifanarahana vita sonia izany hatreto.

 Miantso ny mpandraharaha any ivelany ianao, hoy izy. Afaka mitondra ny anjara birikiny be dia be i Marc Ravalomanana. Vitsy taty Afrika no hanaiky voka-pifidianana toy ireny, nefa nandefitra izy mba hialana amin’ny krizy na dia noravana nokasaina ho tapitra tarangana aza ny fananany. “Traikefa, teknika no hoentiny (Dada) fa tsy valifaty. Ain-dehibe ho an’ny fiaraha-miasa avy any ivelany ny fodian’ny filoha teo aloha Ravalomanana ka ho hery vaovao tokoa ianareo fa tsy ho hery boboka amin’izay”, hoy hatrany i Zafilahy.

Tena marina ny anao Atoa filoha, hoy i Fred Tantsaha, fa tsy ho an’ny olona iray no katsahana ankehitriny fa ho an’ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa ka io vahoaka io mihitsy no mitaky ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana, indrindra izahay tantsaha nahita sitraka sy tombony taminy. Tsy mba nasianao teny akory ny amin’ireo gadra politika sy famohana ireo haino aman-jery nakatona ary ny famerenana an-tanindrazana ny sesitany any ivelany, hoy Randrianasolondrabe Eric, nefa azo antoka ny firesahana ireo tany ivelany tany fa fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary fanehoana ny tena fihavanana marina. Ireo koa no hahazoanao mandeha indray any Bruxelles amin’ny volana aprily.

Tsy diso isika niharitra 5 taona teto an-kianja, hoy Randrianjatovo Henri Victor, fa isika no arofanina tsy nahafahan’ireo mpanongam-panjakana nanao ny danin’ny kibony teto. Mijoroa tongava maro eto an-kianja isan’andro fa izany no antoky ny fiverenan’i Dada himatimatesana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT