Tsy misy afa-tsy ny fampiharana tanteraka ny sori-dalana, hoy ny filoha tanzanianina izay mitarika ny Troika SADC ankehitriny, no hamahana ny krizy eto Madagasikara, araka ny fampitam-baovao nataon’i Guy Maxime Ralaiseheno tao amin’ny Magro Behoririka omaly.
Nambarany koa fa tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Firenena Mikambana no nanitsy an-dRajoelina momba ny fomba fitondrany ny firenena sy ny tokony hialany. Vokany, dia «nidongy tsy nety nivoaka ny hotely nisy azy ny filohan’ny FAT sy ny ministry ny fitsarana», hoy ny CT Guy Maxime. Ankoatra izay dia nasiany resaka koa ny momba ny ady an-trano eo amin’ireo samy mpomba ny fitondrana ankehitriny. Tetsy andaniny dia nambaran’ny CST Jules Andriamaholison fa tsy ny ankolafy Ravalomanana no mamorona ny datin’ny 18 oktobra fa ny SADC. 18 oktobra izay voalaza fa hiverenan’ny filoha Ravalomanana raha tara indrindra.
Ny CST Randrianjatovo Henri kosa no nampahatsiahy fa ny lalàna iraisam-pirenena no mamaritra fa tsy mahazo mitondra fanjakana izay nanongam-panjakana. Tsy mahazo mirotsaka hofidiana, araka ny fifanarahan’i Cotonou, andininy faha-96 sy ny Sata afrikanina ho an’ny zon’olombelona sy ny demokrasia. Tetsy ankilan’izay dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa tsy afaka hilaza intsony ny FAT fa Ravalomanana no sakana amin’ny famahana ny krizy. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo efa nanamarika, hoy ihany ity filoha lefitry ny Kongresy ity fa tsy tanteraka araka ny tokony ho izy ny fampiharana ny sori-dalana, noho izany dia tsy hamatsy vola na ny Vondrona Eoropeanina na ny Firenena Mikambana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.