Politique

Magro Behoririka Ny seza no mila ny Ankolafy 3


  • Alakamisy 20 Janoary 2011

«Misy farany ny zavatra rehetra», hoy Rtoa Violette mpandahateny voalohany tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia, izay nilaza fa tsy mankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ny mpanongam-panjakana.

“Fitoniana politika ve no ilaina nefa ny kibay an-kelika ihany ?”, hoy ny avy amin’ny fikambanana Matita, izay nanamafy fa «tsy mitady seza ny Ankolafy 3 fa ny seza no mila ny Ankolafy 3, fitiavana tanindrazana no mibaiko azy”. Zavatra hafa mihitsy no nambaran-dRévérend Ndriamanampy raha nitatitra izay nolazain’ny mpitondra fivavahana nilaza fa : “mampikarama mpanao ody gasy ny ao amin’ny Magro ka miantona ny orana”. “Vavaka no atao eto fa tsy zavatra hafa”, hoy izy namaly bontana avy hatrany “ka tongava manatrika fa aza manao tatitra vilana”. “Tsy hisy mandrakizay araka izany ny adin’ny Merina sy ny Tanindrana hatrany Toamasina”, hoy indray ny Depiote Mektoub, “fa tsy fomba malagasy izany”. 

Hafatra politika kosa no nentin’Atoa Jean Louis Rakotoamboa elaela tsy tazana tao Behoririka : “Nanaiky ny hadisoany daholo ny filoha telolahy ary efa nifamela ka miresaka tsara ankehitriny, i Andry Rajoelina no mbola miziriziry. Miala nenina na ny eto an-toerana na ny any ivelany. Ny miziriziry ve no hampilamina ny tany”, hoy izy. Nambaran’ny solontenan’ireo mpikarakara ny gadra politika fa miisa 117 no migadra eran’i Madagasikara. “Tsy mitalaho amin’ny FAT isika hamoaka ny gadra fa havoakatsika any ireny”, hoy ny Depiote Raharisaina Hery.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT